Mila fohazina sy kolokoloina ny voady nifanaovana mba ho tanteraka. Ny tenin'i Jesoa Mt 5, 48 "Koa aoka ho lavorary hianareo tahaka ny fahalavorarian'ny Rainareo izay any an-danitra. Ilana fiomanana ny fiainana ny antso ho an'ny fianakaviana : Fantarina ny tena sy ny olona manodidina izany hoe ny tena manokana, ny fianakaviany sy ny fombany, ny lala-nodiaviny, ny toe-batany, ny toe-tsainy. Ny fanorenana fianakaviana dia ilana vavolombelona anefa fadiana ny mamitaka an'Andriamanitra. Rehefa vita ny voady dia miezaka miaina ny "fenitra volamena '" : miserasera, miaina mari-pitiavana, mivavaka, ary farany miara-dalana amin'ny fiangonana. Ny MA.MI eny Ambohipo dia manao tantsoroka amin'ny fikolokoloina ny fiainan'ny mpivady...
Maro ireo revio sy gazety-boky miresaka sy mamoaka ny voka-pikarohana sy fandalinana samihafa momba ny fiaraha-monina. Inona no fiantraikan'ireny asa-soratra fanadihadiana sy lahatsora-pikarohana ireny eo amin'ny fiaraha-monina malagasy? Ny hamaly izany fanontaniana izany no hifantohan'ny Fandaharan'asa Fikarohana & Fikirakirana tahirin-kevitra mandritra ity enim-bolana faharoa ity. Santarina amin'ny fandaharana radio izany ary ho arahina famelaberan-kevitra. Tanjona ny fampifandraisana ireo mpisehatra amin'ny tontolon'ny gazety-boky, fifampitaizana manodidina ny fikarohana sy ny asa-soratra. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagascar.
Ny hanaovana ny asa tsara ho lovan'ny taranaka dia isan'andro mihitsy no hiainana azy. Noheverintsika hoe izay tsy ilaina dia fako ka ariana, kanefa mbola misy ny azo hampiasana azy ireny : ohatra ny fakon-dakozia dia ahazoana zezika compost ; ny rano nanasana sakafo dia ahafahana mamokatra olitra ho sakafon'ny akoho amam-borona ; ireo voan'ny voankazo dia ahafahana mamatsy tanin-jana-kazo kely eo an-jaridaina ; ny taim-biby ahodina ho "biogaz" ; ny vatan-kazo sy ny raviny hanatsarana ny "permaculture" ; ny "plastique" azo atao tavy dia hambolena anana sy ny voankazo. Ireo no hatao dia efa mametraka lova ho an'ny taranaka isika no sady mitsinjo ny tontolo iainana.
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco