Natao hampivelatra ny mahaolona ny fahalalana. Mila fahendrena nefa izany, mba ho fanovozan-tsoa ho an'ny tena sy ny hafa ilay fahalalana, ary hitondra any amin'ny fampandrosoana. Ny fahendrena no itsanganan'ny trano, ary ny fahalalana no iorenany mafy ; Ny fahaizana no amenoana ny ao anatiny, amin'ny harena soa sy mahafinaritra rehetra. (Ohabolana 24, 3-4).
Maro ny fanamby atrehintsika amin'ny angovo sy ny fikajiana ny tontolo iainana. Anisan'ny vahaolana voalohany, ny fahafantarana ny filàna sy ny tahan'ny angovo ampiasaina ao an-tokantrano mba ahafahana mitantana azy. Anisan'ny vahaolana naroso teto amin'ny fandaharana ihany koa ny fampiasana ny arina azo avy amin'ny volobe "bambou". Tombotsoa maro no azo avy aminy : kely ny "carbone" avoakany, vetivety dia mafana ka mitsitsy fotoana, tsy mandoto ary mora vidy.
Ny tanjon'ny fanambadiana dia ny fiainan'ny mpivady ny fifankatiavana maharitra. Ao anatin'ny voadin'ny fanekena ny hoe "na inon-kidona na inon-kihatra, na an-kasoavana na an-karatsiana". Mamelona ny fifankatiavana ny fiainana izany miaraka : miara-dalana mba hamelo-maso ilay fifankatiavana hatramin'ny voalohany, ka hahatonga izany ho lavorary ho an'ny tanjona iombonana.
Mbola ao anatin'ny fanentanana ny olona hamboly hazo isika, isan'ireny ny hazo fihinam-boa, ny zava-maniry fanao fanafody. Fiarovana ny tontolo iainana tsara indrindra ny fambolena hazo ka noho izany dia tokony ho karakaraina izay hazo novolentsika. Ny hazo malagasy dia maintso sy mando mandavan-taona ny manodidina azy, ary mety ho an'ny fikolokoloina ny tontolo iainana. Ny fikarakarana ny hazo voavoly dia miainga amin'ny aro afo, avy eo ny fanomezana zezeika, ary tsy adinoina ny fanondrahana araka izay tratra, amin'ny alalan'ny fampiasana tavoahangy "plastique" milavaka, ka io no mitete manamando azy.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco