Nofaranana androany 08 septambra 2022 ny tetik'asa fikarohana momba ny voly vary FYVARY. Tetik'asa ambany fiahian'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana nanomboka ny taona 2017, izay famatsiam-bolan'ny governemanta malagasy miaraka amin'ny governemanta japoney ny FYVARY...
Mandrava ny voly seha-piveloman'ny tantsaha ny bibikely mpanimba voly tato ho ato. Velon-taraina ny mpamboly any ambanivohitra manoloana izany. Hirika iray ahafahana miady amin'izany no hoentin'i Pap Bio na Ranaivoarison Basile...
Nitondra fampivoarana amin'ny seha-pamokarana eny ambanivohitra ny nananganana ireo ivon-toeram-piofanana mivondrona ao amin'ny FECAMA (Federation des Collège Agrioole de Madagascar). Miisa 5 ireo kolejy mivondrona ao aminy, miparitaka any amin'ny faritra dimy samy eo ambany fiahian'ny vovonam-pikambanana FIFATA avokoa...
Kavin'omby maherin'ny 14000 no hapetraka amin'ny omby ao amin'ny Distrikan'Amboasary Atsimo sy Taolagnaro, mialohan'ny faran'ity taona ity. Ny 6700 amin'ireo no ho an'ny Distrikan'i Taolagnaro raha toa ka 7900 kosa ho an'Amboasary Atsimo. Mbola mila entanina hatrany anefa ny tantsaha ahafahana manatratra ny tanjona.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco