Ny sosona ôzônina dia manana anjara lehibe amin’ny fiarovana ny tany amin’ireo taratra ultraviolet (UV) mampidi-doza avy amin’ny Masoandro. Ny fahasimban’io sosona io dia mety hampitombo ny fiparitahan’ireo taratra ireo sy hisy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny olombelona. Noho izany, ilaina ny fahafantarana ireo loza mety hateraky ny fahasimban’io singa io sy ny fandraisana fepetra tsotra mba hiarovana ny fahasalaman’ny tsirairay sy ny fianakaviana. Mifototra indrindra amin’izany ity fandaharana ity...

Ny fanabeazana ny maha-olona manontolo no fototra hanorenana olona mendrika sy fiaraha-monina mandroso. Tsy ny fanomezana fahalalana fotsiny ihany no tanjona fa ny fananganana olona manana fo, saina ary fanahy vonona hanompo ny hafa ary hanorina ny ho avy. Raha te hanana Madagasikara mandroso isika dia tsy maintsy manabe olona feno : mahay, marina, tia tanindarazana, manaja ny hafa ary matahotra an’Andriamanitra. Aza avela ho very ny taranaka noho ny tsy firaharahiana ; ny fanabeazana ataontsika anio no endriky ny firenena ho hitantsika rahampitso....

Ny fidiran’ny mpianatra eto Madagasikara dia tsy resaka fitaovam-pianarana sy saram-pianarana ihany, fa mifandray amin’ny toe-karena sy ny fiainan’ny tokantrano manontolo. Noho izany, ilaina ny fandaminana, ny fifampiresahana ary ny fametrahana laharam-pahamehana, mba hisorohana olona mety hiseho amin’ny fianaran’ny ankizy. Andraikitra iombonan’ny ray aman-dreny, ny sekoly, ny mpampianatra ary ny fiarahamonina ny fanohanana ny mpianatra. Ary amin’ny alalan’ny firaisankina sy fifanohanana no ahafahana miatrika ireo fanamby mba hisian’ny fahambiazana lavorary...

Lasa ampahany lehibe amin’ny fiainan’ny tanora ankehitriny ny interneto sy ny tambajotra-tserasera. Sehatra iray manampy amin’ny fianarana, fifandraisana, fitadiavana vaovao, fanehoana talenta ary fananganana fahafahana vaovao izy ireo. Kanefa, miaraka amin’izany dia misy ihany koa ireo loza mety hitranga toy ny vaovao diso, fanorisorenana an-tserasera, fisolokiana, famitahana ary fampiasana tafahoatra. Ny interneto dia fitaovana mahery vaika; miankina amin’ny fomba ampiasantsika azy no hahatonga azy ho fanampiana na ho fandrika... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...