Ilàna finiavana sy fahaizana ny mifanakalo hevitra. Manatsara ny fifandraisana eo amin’ny mpivady izany satria ny fifanakalozan-kevitra no ahafahan’ny andaniny sy ny ankilany mifankafantatra, mifankahazo, mifampatoky bebe kokoa hatrany. Ny fifanakalozan-kevitra ihany koa no ahafahana mifampizara ny fihetseham-po sy mifehy izany. Fifanakalozana mivantana, misy hafanana sy hafaliana no entanina araka izay azo atao. Eto dia manamafy ny fomba fiteny Malagasy : “Mpifankatia tsy mifaramafara hono, very ny androtokom-pitiavany, ady no farany”. Fandaharana "miaina sy mitia"
Toy ny isan-taona dia mikarakara ny antsoina hoe “Andro Sosialy” ny Asam-pamonjena sosialy sy ekolojika izay tantanan’ny Fikambanan’I Jesoa eto Madagasikara, mba ijerena akaiky sy itadiavana vahaolana manoloana ireo olana diavin’ny fiarahamonina. Araka ny lohahevitra dia hiresaka mahakasika ny fifidianana ity hetsika lehibe ity. Ny tanjona dia (i) ny hisoroka izay fifandirana ahiana hiseho na amin’ny lafiny ara-politika izany na amin’ny lafiny hafa toy ny firohotana isan-karazany na ny fikambanana ara-tsosialy, ka hisongadina ao anatin’izany ny firesahana ny etika sy ny moraly tokony ananana amin’ny andraikitra ara-politika... Fandaharana "miaina sy mitia"
Manana fifandraisana manokana amin’Andriamanitra isika araka ny làlana sy ny traikefa ary ny sedra diavintsika tsirairay avy. Manana drafi-pitiavana ho ahy eto an-tany Andriamanitra, tsy misy kisendrasendra izany. Ny zava-drehetra dia nalahatr’Andriamanitra avokoa, ary ny faniriany ho antsika dia ny fiainana anatin’ny fahafenoana. Miantso ny olombelona hitady Azy Andriamanitra, hahafantatra Azy sy ho tia Azy. Tanora mandalo sedra sy fitsapana aho fa tsapako “fa sarobidy eo imason’Andriamanitra aho ary tonga eto (an-tany) aho ho amin’ny iraka manokana anirahany ahy”. Fandaharana "miaina sy mitia"
Tranga manokana miseho amin'ny vehivavy ny fadimbolana. Manana dikany telo lehibe izy : voalohany, tonga amin'ny fahamaotiana ny zazavavy ; faharoa, manaporofo fa tsy nitoe-jaza ilay vehivavy ; ary fahatelo, manomboka indray ny tsinjerina vaovao. Fandaharana "miaina sy mitia"
♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco