Tsikaritra manoloana ny zava-misy ankehitriny fa miaina fanamby maro ny fiaraha-monina malagasy ; misedra olana maro izay hita amin’ny ankapobeny fa efa miantraika mivantana amin’ny isam-batan’olona. Anisan’ny misongadina ao anatin’ireny ny olana mianjady amin’ny tontolo iainana, hita fa mihasimba hatrany ireo voahary ; ny tsy fandriam- pahahelemana mampitaraina ny ankamaroan’ny Malagasy. Etsy ankilany, raha ny eto an-drenivohitra manokana dia mampitaraina ny mponina ny fahatapahan-jiro sy rano lava reny. Ireny rehetra ireny dia misy fiantraikany amin’ny fahasalamana. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana vaomieran'ny fahasalamana, eo an'ivon-toerana Arrupe.

Anisan’ny fomba iray manampy amin’ny firindran’ny fiainam-pianakaviana ny fisafidianan’ny mpivady ny isan’ny zaza ateraka sy ny fotoana hananany izany. Ny fandrindram-piterahana ara-boajanahary dia ankatoavin’ny fiangonana katolika ny fanarahana azy. Tsapa araka ny zava-misy sy ny fanehoan-kevitr’ireo olona fa tsy dia mbola ampy ny fampahafantarana io fomba io, na dia ilaina aza. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana vaomieran'ny fahasalamana, eo an'ivon-toerana Arrupe.

Ny fandraisana fanapahan-kevitra dia anisan’ny dingana iray lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona iray, indrindra ny tanora. Noho izany, tsara ny mamantatra ireo dingana rehetra mba afahana miroso amin’ny fanapahan-kevitra matotra sy voalanjalanja. Satria noho ny zava-misy dia maro ny mandray fanapahan-kevitra ao anaty korontana, toy ny disadisa, alahelo, na hafaliana be loatra. Izany matetika dia miteraka nenina ary mety hanakorontana na hanimba ny ho avy. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.

Ny 22, 23, 24 oktobre ho avy izao ny fikaonandoha mikasika ny VIH/SIDA eto amin’ny ranomasimbe Indiana., fotoana iray izay hafahantsika eto Madagasikara hisitraka ireo tolotra maro toy ny fizahana ara-pahasalamana maimaipoana : VIH/SIDA, fijerena sokajin-drà, homamiadan’ny vozon'ny tranon-jaza sy nono. Isaky ny 4 taona no mandray izany hetsika izany ny eto madagasikara ka ity indray mitoraka ity dia hanatrika izany ireo tompon'andraikitra iraisam-pirenena toy ny avy amin’ny ONUSIDA, fond mondial mba ahafahana manao adisisika hampitomboana ny vola antokana amin’ny ady amin’ny VIH/SIDA... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...