Fototry ny fampandrosoana ifotony sy fanavaozana maharitra ny olom-pirenena mandray andraikitra. Mba handraisan'ny olom-pirenena anjara amin'ny fampandrosoana dia ilaina ny hafantarana ny adidy sy zo. Ny fifanankalozan-kevitra dia afahana mahatakatra bebe kokoa ny olana sy ny fanamby ankehitriny, ary hampiroborobo hetsika maha olom-pirenena azo tanterahina sy hita maso... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Iza aho? Tanora mitady ny maha-izy azy, miresaka safidy, soatoavina ary ny anjara toeran'ny finoana amin'ny fiainana. Fanontaniana fototry ny fananganana ny maha-olona. Miresaka ihany koa ny mety ho sakana tsy afahana mahafantatra ny maha-izy ny tena. Fotoana iray, hifampizarana andram-piainana mahafinaritra kely. Tsara ny hanana olona azo tahafina amin'ny fiainana, eny, hanao tantsoroka amin'ny fiainana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Nisy ny fampidirana karazam-baksiny vaovao tsy mbola nahazatra ny olona teto Madagasikara tato anatin'ny taona vitsivitsy izay : fiarovana ny Covid-19, ny M-Pox ary ny fiarovana amin'ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza ; tsy mandà ireny ny EKAR satria zo sy safidin'ny olona tsirairay ny hanao na tsia ireny. Mandrisika ny tompon'andraikitra mba hampitombo ny fampahalalana ny mikasika ireny vaksiny ireny, mba hampisava ny ahiahin'ny vahoaka. Ny filàna fanazavana dia ny tompon'andraikitra ara-pitsaboana sy fahasalamana rehetra no mamaha azy, fa ny safidy dia an'ny tsirairay.... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny sakana dia zavatra na toe-javatra manelingelina ary tsy mamela anao handroso hahatratra tanjona iray. Ny tontolo vaovao dia ilay tontolo iainantsika amin'izao fotoana izao, izay ahitana toe-javatra na toe-piainana miova ka mitaky antsika hifanaraka aminy. Ny firaisankina dia fiaraha-mientana sy fifanohanana eo amin'ny olona maromaro. Manoloana ny sakana dia ilay ny firaisankina : mifampiresaka sy mifampihaino, mifanampy amin'ny zavatra atao, mifampizara andraikitra anaty fifanajàna sy fifandeferana ary fifankatiavana ; ireto farany dia fanohitra hatsara ny ho avy... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco