Ny fandraisana andraikitra sy fanomezan-danja ny tsirairay eo amin'ny fianakaviana sy ny mpiara-monina dia anisan'ny fanoitra iray entina hampivoarana ny fiainana andavan'andro. Ny fahasamihafana dia isan'ny mikolokolo ny fifankatiavan'ny mpivady : izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary" ary ny firaisan-kina no hery. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara sy ny vaomieran'ny Eveka misahana ny Fianakaviana.
Nankalazaina ny 11 febroary ny andro maneran-tany ho an'ny marary ; nitondra hafatra ny Papa Ray Masina tamin'izany. Ny foto-kevi-dehibe ny hoe fandraisana andraikitra sy fanomezan-danja ny tsirairay ao anatin'ny fiaraha-monina. Koa tsy tsara raha avela irery ny olona, ny mikarakara ny marary dia mikolokolo ny fifandraisana. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara sy ny vaomieran'ny Eveka misahana ny Fahasalamana.
Avy ao anatin'ny fianakaviana no hipoiran'ny olona mandray andraikitra. Ny fianakaviana dia sehatra iray hanabeazana sy hamolavolana olom-banona, mandray andraikitra. Ny fianakaviana no afaka mampahafantatra ny fiaraha-monina amin'ny alalan'ny fampisehoana sy fampihainoana ny fampianaran'ny fiangonana. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara sy ny vaomieran'ny Eveka misahana ny Fianakaviana.
Tsara ary ilaina ny mamboly hazo. Tokony atao ny fambolen-kazo izay tokony hanaraka ny fenitra ara-teknika mba hampahomby sy hatratrarana ny tanjona. Anjara biriky ny tsirairay amin'ny fikajiana ny tranobe iombonana ny fambolen-kazo. Ilaina ny fandraisana andraikitry ny tsirairay amin'ny fanjohina ny fambolen-kazo natao, ahafantarana ny vokatra azo. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco