Rehefa ao anaty tsy fahasalamana dia vao mainka toa mavesatra sy sarotra kokoa noho ny andavanandro ireo olana efa tandra vadin-koditra amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona. Manoloana izany indrindra anefa no tsy maintsy hanamafisana ny finoana sy ny fanantenana, ary iainana ny faharetana. Ireo finoana, fanantenana sy faharetana ireo no entin’ny Vaomieran’ny Eveka momba ny Fahasalamana, hankaherezana ireo rehetra misehatra eo amin’ny tontolon’ny fahasalamana : dia ny marary, ny mpitsabo, ny mpikarakara ary ny havan’ny marary, mandritra ny fankalazana ny Jobilin'ny Marary...
Ny fiarahan-dalana dia fifanatonan'ny olona na vondron'olona maromaro mba hiombona amina tanjona iray. Ny fiombonana indray dia fototra iray mampisy fahombiazana ao anatin'ny fiarahan-dalana. Ho an'ny fiainan'ny mpivady manokana dia mifanindran-dalana ny fiarahan-dalana sy ny fiombonana, rehefa miditra tanteraka amin'ny fiainan'ny andaniny ny ankilany. Mpiara-miombona antoka mitovy lenta ny mpivady, ary mifameno sy mifampiankina amin'ny ezaka hahatongavana amin'ny tanjona iombonana.
Mbola maro ny vehivavy miaina ao anatin'ny fiankinan-doha. Maniry mafy izy ireny, ary manao ny ezaka rehetra, ny mba hizaka tena, noho izany dia maro koa ireo manararaotra izay finiavan'ny vehivavy te hizaka tena izay. Endrika iray isehoan'izany fanararaotana izany ny famarinana olona.
Sehatra manan-danja ary tsy azo idovirana eo amin’ny fiainan’ny olona iray, na fianakaviana, na fiaraha-monina, ary indrindra ny firenena ny fanabeazana. Tsy maintsy misy lafin-javatra omena lanja ao dia : ny fampianarana, fianarana, fampitana, fahaiza-manao, sns, mba afahanana mivelatra amin’ny maha-olona feno. Anisan’ny mandrafitra io maha-olona feno io ny ara-batana, ara- tsaina, ara-panahy, ara-piaraha-monina, ary ny ara-pihetseham-po. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.
• Namoaka fehin-kevitra momba ny toromarika hiatrehana ireo fanadinam-panjakana, ireo talen-tsekoly katolika eto Madagasikara, nandritra ny fihaonambe tsy ara-potoana natao tao amin'ny Diosezin'Ambositra... • Tontosa ny 13 sy ny 14 ôktôbra 2026 ny fivoriana fanao isan-taona nataon'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana... • Hotanterahana rahampitso any Turin ny Sorona Masina fanirahana ireo Misionera Salezianina Don Bosco...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco