Ny fianakaviana mino dia fianakaviana manaiky ho marina tsy mila fanaporofoana Ilay Andriamanitra mpahary ny lanitra sy ny tany,ilay trinite masina „Andriamanitra Ray, zanaka sy Fanahy masina” ; tsitoha, mahefa ny zavatra rehetra. Harena ny fifandraisana misy eo amin'ny olona raha iainana, ary mahay miray hina amin'izay fahasamihafana izay ny olona ao anatin‟ilay fiombonana. Ny rehetra no Mandray anjara mavitrika amin'ny asa fitoriana ny evanjely sy hitondra fahazavana... fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Zoma 16 ôktôbra 2026

• Namoaka fehin-kevitra momba ny toromarika hiatrehana ireo fanadinam-panjakana, ireo talen-tsekoly katolika eto Madagasikara, nandritra ny fihaonambe tsy ara-potoana natao tao amin'ny Diosezin'Ambositra... • Tontosa ny 13 sy ny 14 ôktôbra 2026 ny fivoriana fanao isan-taona nataon'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana... • Hotanterahana rahampitso any Turin ny Sorona Masina fanirahana ireo Misionera Salezianina Don Bosco...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...