Mampivelatra ny sain'ny tanora ny fampiasàna ny talentany, anisan'izany ny slam. Mampiroborobo ny maha-olona sy ahafahana maneho ny hevitra sy ny fahaizana amin'ny alalan'ny teny, ny soratra sy ny fikarohana. Manentana ny tanora hikaroka sy hampiasa ny talenta ao anatin'ny kolotsaina sy ny soatoavina...

♦ Ny Ong MICET na Madagascar Institut pour la Conservation des écosystèmes Tropicaux dia  misehatra sy miaro ny tontolo iainana. Ny MICET dia noforonina tamin'ny taona 1997 ary nisehtra tamin'ny lafin-javatra maro : fanabeazana, fahasalamana, fampandrosoana ny tontolo eny ambanivohitra... ♦ Ny sakamalao na sakaitany dia zava-maniry fanao amin'ny sakafo ary azo hitsaboana. Ny tetiandro hiotazana ny vokatra dia enim-bolana. Ny sakamalao dia manana anarana ara-tsiantifika : Zingember officinale...

Mila mahay manome fitiavana sy mandray fitiavana isika. Mila fandinihantena izany rehefa mifarana ny tontolo andro. Tena fanazarantena ilaina izany hanatsara ny fiainantsika sy ny manodidina antsika, ary mamporisika antsika hifandray amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny vavaka. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Ny Kistan'ny atodinaina dia fivontosana hita eo amin'ny atodinaina na "ovaire", ity farany moa dia taova iray ao anatin'ny taovam-pananahan'ny vehivavy. ity tranga ity dia mety hiseho ho an'ny vehivavy rehetra ao anatin'ny taona ahafahana miteraka. Ny antony mety mahatonga io kista io dia ny fikorontanan'ny tsirim-panentana eo amin'ny vehivavy. Ny fambara : mikorontana ny fadimbolana ary marary. marary ny andoha vania amin'ny fotoana maha lonaka, marary rehefa manao firaisana ara-nofo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...