Ny zaza voaloboka dia fiforonana vohoka tsy ho ary, noho ny tsy fahatomombanan'ny fitsaihina izany hoe tsy araka ny tokony ho izy ny fihaonan'ny atodinaina vavy sy ny atodinaina lahy. Misy karazany roa ny tranga "zaza voaloboka" : voalohany, mety ho ny atodinainay vavy no tsy tomombana " môle hydatiforme complète " ; faharoa ny atodinainay lahy no tsy tomombana "môle hydatiforme partielle"...
Manjaka ny fahapotehan'ny ala ao amin'ny tandavan'alan'Angavo, noho ny fanaovana tavy sy doro ala ka hanairan'ny mpiaro ny tontolo iainana ireo tompon'andraikitra handray fepetra. Tandindomin-doza ny famokarana manoloana izany hoy Andriamatoa Rakotondrazaka Jean de Dieu, filohan'ny fikambanana FIKITAMA, FIkambanana KIadin'ny TAntsaha Mangoro. Miharitra mantsy ny renirano manondraka ny famokarana.
♦ Ny FIKITAMA na FIkambanana KIadin'i TAntsaha MAngoro dia fikambanana miaro ny tontolo iainana ary miady amin'ny tsindrihazolena mianjady amin'ny tantsaha. Ity fikambana ity dia niforona tamin'ny taona 2015... ♦ Dauphin : biby mampinono, misy karazany roa dia ireo mivelona an-dranomamy sy ny an-dranomasina. Ny Platanistidés dia misy karazany 3-4 fa ny Delphinidés dia ahitana karazany 30, maneran-tany... ♦ Delta : nahita vahaolana hamahana ny olan'ny tsy fampian-drano noho ny fiatraikan'ny fiovaovan'ny toetrandro any amin'ny Kaominina Bemanonga distrika Morondava...
Tamin'ny 04-05-06 aogositra 2021 teo no nanamarihana ny andron'ny vaksiny Polio teo Madagasikara ho an'ireo faritra ahiana ho misy tranga vaovao. Ny vaksiny ho an'ny lefakozatra dia natao ho an'ny zaza vao teraka hatramin'ny 59 volana. Ny lefakozatra dia aretina efa elabe no nisiany satria tamin'ny taona 1840 no nahitan'ilay Mpitsabo Jacob Heine azy voalohany. Misy karazany telo ny lefakozatra fa kosa voasoroka amin'ny alalan'ilay vaksiny amin'izao daholo...
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco