Voadona indray ny seha-piharian'ny tantsaha mpiompy omby indrindra ny omby vavy be ronono ao anatin'ny faritra Vakinankaratra nanomboka ny faraparan'ny volana oktobra lasa teo nitohy tamin'ity volana novambra ity. Nihanaka mantsy ny valan'aretina mahazo ny omby, ka tsy afa-bela na ny omby miasa eny antsaha na ny omby vavy be ronono.

Mitaraina ny tantsaha fa mihena dia mihena ny voka-dronono. Hatrany amin'ny 80 - 90% izay fihenany izay. Manampy trotraka ny vola lany hitsaboana ny biby fiompy fony mbola izy ireo irery no nitsabo izany. Taty aoriana maimaimpoana ny fanafody itsaboana ny aretina hoy ny ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana.

Misy akony amin'ny ronono angonin'ny orinasa mpanodina ao Antsirabe ankehitriny ny fisian'ny valan'aretina mahazo ny omby, indrindra fa ny omby vavy be ronono, ao amin'ny faritra Vakinankaratra. Mihena ny fatran'ny ronono raisin'izy ireo any amin'ny tantsaha noho ny fihenan'ny vokatra. Noamafisina ny fanaraha-maso ny kalitaon'ny ronono mba ho tena ronono ara-kalitao sy ara-pahasalamana no ahodin'izy ireo kanefa miezaka manampy tantsaha ihany koa manoloana ny zava-misy.

Mikendry ny fahasalaman'ny mpanjifa ny orinasa mpanodina ka voatery nanamafy ny fanaraha-maso ny kalitaon'ny ronono avy any amin'ny tantsaha mpamokatra, akora fototra ampiasaina, amin'ny alalan'ny fitiliana amin'ny laboratoara. Tsy misy ahiana akory ny vokatra aparitany eny an-tsena. 

Nandray andraikitra nampahafantatra ny zava-misy ho an'ny mpiara-belona ny teo anivon'ny Malagasy Dairy Board, nifampiresaka tamin'ny ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana ihany koa. Nanamafy ny ministera fa efa nohamafisina ny fandraisana ny fepetra tsy hiparitahan'ny valan'aretina, isan'izany ny tsy fahafahan'ny omby mivezivezy ao Vakinankaratra.

 

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...