Ny fifanampiana eo amin'ny olona roa na mpivady na mpianaka dia mampifanaiky am-po ary miteraka fifampitokisana ka mahatonga fahatsaram-piainana eo amin'ny fifandraisana. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Ny fanarenana ara-batana dia hatao amin'ny alalan'ny fitsaboana "Kinésithérapie" na amin'ny alalan'ny fampiasana fihetsika. Ny teny hoe " Kinésithérapie" dia avy amin'ny voambolana roa : "Kinésis" midika ho fihetsika ary ny "thérapie" mira ho fitsaboana. Ireo olona hotsaboina amin'ny alalan'ity fomba iray ity dia matetika nandalo tamin'ny mpitsabo ary ity farany no manome taratasy mazava fa mila manao "kinésithérapie ilay marary, aorian'izay vao mandalo fanadihadiana amin'ny mpitsabo "kinésithérapeute"

Herintaona mialohan'ny hahataperan'ny tetik'asa Fy Vary, nahitam-bokany ny fkarohana natao mba hampiroboroboana ny teknika famokaram-bary ho an'ireo faritra telo iasany : Vakinankaratra, Analamanga ary Alaotra-Mangoro.

Ny kolontsaina " ny tokontrano tsy ahahaka" dia avy amin'ny soatoavina maha-malagasy ary ny fijery maha-kristiana. Misy fetrany ihany anefa izany raha tonga any amin'ny tsy azo hanoharana ka ilàna ny fanampian'ireo olona natokana ho amin'izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...