Ilaina ny fanombanana izay vita sy niainana. Tsy tsikeran'izay miiba ihany anefa no atao hoe tombana, noho izany, mitaky toe-tsaina mahitsy sy mila fahaizana ihany koa ny fanaovana tombana mba hitarika ho amin'ny fivoarana.

Naseho an'ireo tantsaha tetsy amin'ny lemak'i Laniera ao amin'ny kaominina Sabotsy-Namehana distrika Antananarivo-Avaradrano ny fomba fanetsana amin'ny alalan'ny milina entin-tanana sy ny milina maneha amin'ny angovo. Milina natao hifanaraka amin'ny fomba fambolem-bary voizin'ny tetik'asa PAPRIZ izay eo ambany fiahian'ny MInisteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana.

Mangina ny fanentanana amin'ny ady amin'ny Sida eto amintsika dia mihevitra ny olona fa efa foana izy. Mila hampiroboroboana ny fepetra fiarovana amin'ny fifindrany sy ny fanaovana fitiliana. Ireo tsy manao fitiliana kanefa mitondra tsimokaretina no mamindra fa ireo efa fantatra dia efa manaraka fitsaboana ny ankamaroany.

Ny mpisehatra amin'ny telozorom-panabeazana dia miroaroa saina manoloana ny fialan-tsasatry ny Noely 2021 ity. Misy zavatra maromaro mampiavaka ity fialan-tsasatra ity mantsy toy ny : fiatraikan'ny fiovan'ny toetrandro, fahatapahan'ny fampianarana tapoka noho ny Covid-19, famerenana ny fampanajàna ny fepetra sy ny fihetsika sakana amin'ny maha ao anatin'ny vanim-potoanan'ny "Fahamailona ara-pahasalamana" ny faritra vitsivitsy noho ny valan'aretina.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...