Fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana: aoka tsy hanenenana na inona na inona, andao hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana. Zo ny mifidy ary malalaka ny rehetra na te hampiasa ny zony na tsia, torak’izany koa ny fisoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana.Na izany aza, mba ho solontenan'ny vahoaka malagasy, ary ho an'ny demokrasia ity lisitra ity, dia atao ny ezaka mba ho maro no ho voasoratra anarana ao anatiny. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagascar.
Vaovao ny taona (2023), firariantsoa no tsara hifampizarana. Hirina mba hitondra fahatsaram-piainana noho ny vina sy ny tanjona ity taona ity. Mamporisika antsika hanao ezaka ary hijoro amim-pahavanonana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Ramakavelo Désiré.
Misy olana foana matetika eo amin'ny rafozana sy ny vinanto noho ny maha samy hafa ny fiainana nihainana tany amin'ny tokantrano niaviany. Vahaolana ny fampianarana ny olona handray rafozana vaovao sy vinanto vaovao. Ny rafozana dia mila manao ezaka mamantatra ilay vinanto, ao anatin'ny fifanajana, fahanginana, fihainoana. Fanekena sy fandraisana araka ny maha-izy azy ilay vinanto. Tadiavina sy volena ny fiaraha-monina vaovao ahitana : fisokafana. Ny vinanto dia mila mahay mihaino, mila misokatra ny saina, tsy maneho toetra tia mitsara. Miaraka mandrindra ny fifandraisana sy ny fiaraha-monina ny roa tonta. Atao zava-dehibe ny fahasamihafana mba hifamenoana, tsy ny rafozana foana no manana ny marina...
Ny fanaovana fety voalanjalanja dia mitondra fahasalamana. Anatin'ny fety dia mahazo ny anjarany daholo ny vatana sy ny saina : hafaliana sy sakafo. Ny sakafo tokony hohanina amin'izao fety izao hisorohana ny aretina dia sakafo voalanjalanja, sakafo natoraly. Mila mitandrina amin'ny sakafo hohanina ireo manana olana amin'ny : tosi-dra, diabetika, ireo manana olan'ny fo sy ny voa, ireo olona matavy loatra, ireo tsy mahazaka mihinana sakafo isan-karazany. Ezahana mba toerana madio sy mahazo rivotra tsara ny toerana hisakafoana.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco