Aoka mba hiainantsika tokoa izany fahavanonana izany, ary hitondra am-bavaka mba hiverenan'ny fandriam-pahalemana, indindra isika Malagasy aty amin'ny ranomasimbe Indiana, ranomasin'ny fandriam-pahalemana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Aoka iaina ny maha olom-pirenena isika manomboka amin'ny faha-18 taona, ka handray anjara amin'ny fifanampiana manoloana ny zav-misy eto amin'ny firenena. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Ny fahavanonana sy ny hoe maha-olomp-pirenena dia tsy afaka misaraka. Mifameno ireo, tsy ho tomombana ny maha-olom-pirenena raha tsy ao ny fahavanonana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Ny olom-banona dia izay manisy hasina ny fifandraisana eo amin'ny maha samy olombelona, ary ao anatin'izany ny fanajana ny soatoavina. Ny maha olom-pirenena kosa dia ny fanatanterahana ny zo omen'ny lalana rehefa feno valo ambin'ny folo taona...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...