Ny fahatokisan-tena no manala ny sakana anaty, ity farany ity, izay mitondra any amin'ny tsy fandrosoana mihitsy ho an'ny olona. Ny tsy fahatokisan-tena dia azo lazaina ho manapotika ny fiainana mihitsy. Fandaharana "Mba ho vanona" momba ny fahatokisan-tena, iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny nofinofy hanana tanjona sy dingana eo amin'ny fiainana no manala ny sakana anaty rehetra. Tsy tokony ho ny safidin'ny raiaman-dreny no hamaritra ny fiofanana na asa hataon'ny tanora fa izay nofinofiny. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Desiré Ramakavelo.

Ny 26 jona dia fety miavaka amin'ny Malagasy satria io no andro hanamarihana ny tsingerin-taona namerenana ny fahaleovan-tena. Ny lohahevitra : ” Ny fitiavako ny tanindrazako mamelona ny ambopom-pirenena”. Firariantsoa ho an'ny Malagasy 27 tapitrisa ny hoe : " ho fetim-pirenena hiainana ny "fahavanona" anie ity andro malaza ity ary ho fety sambatra ho antsika rehetra. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Fotoanan'ny fety isan-karazany izao : ny fetim-pirenena, ny fetin'ny ray, koa aoka iainana ny fifanajana mba hisian'ny fifankativana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...