Singa iray mamotika ny fiaraha-monina ny fihanaky ny zava-mahadomelina sy ny fiankinan-doha aminy, indrindra ny tanora. Anisan’ny fototra mahatonga ny herisetra isan-kazany izy io. Azo atao tsara anefa ny miaina madio sy milamina lavitry ny fahazaran-dratsy, ary miaina tsy misy herisetra anjakan’ny fifanajana sy fifankatiavana ary fandriam-pahalemana. Izany dia mitaky fanabeazana ara-pitondran-tena matotra, fanohanana avy amin’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina, ary fanapahan-kevitra hentitra hanaraka lalan-tsaina madio... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Fotoana fialantsasatra izao (Jolay-Septambra), betsaka ireo ankizy mijanona ao an-trano mijery "ECRAN" na mampiasa finday ela loatra kanefa mety hisy fiantraikany amin'ny fahasalaman'ny maso sy ny saina ireny. Ny taova rehetra ao amin'ny ankizy dia mbola an-dalan'ny fivoarana, noho izany dia marefo. Ny "ECRAN" dia misy lafi-tsarany, enti-mampianatra ; misy lafiny ratsy koa, ny fahasimban'ny maso... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Mivoatra ny tontolon'ny fanabeazana, indrindra manoloana ny fivoaran'ny haino aman-jery. Talohan'ny taona 2000 dia tsy nizarazara ny hevitry ny olona manoloana ny tranga sy ny zava-misy notanterin'ny haino aman-jery satria vitsy ireo orinasa nisehatra tamin'ny serasera. Ny fanabeazana tamin'izany dia nisy akony tsara, fa ankehitriny dia maro ny misehatra amin'ny seresasera, ary tsy misy sivana akory aza ny zava-misy aparitak'izy ireny... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Miantso fifanakalozan-kevitra misimisy kokoa momba ilay tolo-dalàna mifehy ny omby eto Madagasikara ny ho lafitry ny dokotera mpitsabo biby mialohan’ny handaniana azy ao amin’ny antenimieran-doholona. Tolo-dalàna atolotry ny loholona Lalatiana RAKOTONDRAZAFY izay efa nanaovany tafa hoan’ny mpanao gazety ny antony anaovana azy io. Nambaran’ny ho lafitry ny dokotera mpitsabo biby fa izy ireo no mpisehatra voalohany momba ny fitsaboana biby eto Madagasikara ary ny omby tafiditra anatin’izany kanefa tsy mahafantatra ny votoatin’io tolo-dalàna io...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco