Mankalaza ny faha-20 taona nijoroany amin'ity taona ity ny UNION MATANJAKA, fikambanamben'ny tantsaha mpamboly sy mpiompy misandrahaka ao amin'ny Distrikan'Antsiranana faharoa. Tsenabe atao ao Antsiranana ny 18 hatramin'ny 20 jolay 2024 no anombohana izay fankalazana izay.
Noharian’Andriamanitra ho lahy sy vavy ny olombelona mba hampitohy asa fahariana nankininy amin’izy ireo. Noho izany ilaina ny fahafantarana ny toe-batana amin’ny maha-lahy sy maha-vavy io, mba ahafahana mikajy sy mitandrina azy. Adidin’ny ray aman-dreny ny mampahafantatra sy manabe ny zanany dieny mbola kely izy, mba hahay hanavaka ny maha-izy azy , na lahy na vavy. Ny toetoetra ara-boajanahary na ara-biolojika dia samy manana ny maha-samy hafa azy na ny lahy na ny vavy. Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka, eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Ny safidy tsara dia ahitana fahafahampo ho anao, ary vokatra tsara ho an'ny manodidina. Na eo amin'ny ankohonana misy anao izany, na eo amin'ny fiaraha-monina, na eto amin'ny firenena ; olom-pirenena tompon'adidy ianao sy izaho koa aoka hanana heri-po hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny lanjan'ny fahaizan'ny mpanabe mandray ny valin'ny asan'ny mpianatra, nandritra ny taom-pianarana teo. Misy fihetsika sy fomba fiteny mba tsy handratra ny ankizy ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra ary ny mpanabe. Ao anatin'ny vanim-potoana handraisana ny valin'ny ezaka nataon'ny mpianatra sy ny ankizy isika amin'izao, mba afahana mandrefy ny lanjan'ny teny natao sy ny asa rehetra, nandritra ny taom-pianarana. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco