6 septambra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 33-39)
Tsy afa-misaraka amin'ny vavaka ny fampianaran'ny Apôstôly sy ny fiombonana ary ny Eokaristia. Manana ny anjara asany ny vavaka satria mampifandray ny Fiangonana amin'i Kristy Filohany. Niainga avy amin'ny Tenin'Andriamanitra ny fampianaran'ny Apôstôly ; misy fifandraisana noho izany ny vavaka sy ny Tenin'Andriamanitra. Sady niombom-bavaka no niombom-pananana ireo kristiana voalohany. Katesizy momba ny vavaky ny fiangonana, tany am-piandohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
5 septambra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 1-11)
Nanamafy ny fiombonam-pon'ireo kristiana teo am-piandohana ny fiombonam-bavaka nananan'izy ireo. Nampahomby ny asa-pitoriana Evanjely ny fiombonam-bavaka. Misy maro ny toetra maneho ny maha-izy azy ny Fiangonana ka isan'ireo ny vavaka, eo ihany koa ny fampianaran'ireo Apôstôly, ny fiombonan'aina ary fizarana ny mofo. Tsy sasatra ny nihaino ny fampianaran'ny Apôstôly ny Kristiana. Katesizy momba ny vavaky ny fiangonana, tany am-piandohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco