Talata 2 novambra 2021 — Fahatsiarovana ny mpino nodimandry — Avia ianareo, ry nosoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo, hatrizay naharina an’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 1-6

Toetra ilaina amin'ny fivoaran'ny tena ny fananana hazon-damosina. Ny fahasahiana mijoro amin'ny maha-izy ny tena dia ahafahana manamafy orina ny fahatokisan-tena sy ny fanantenana ary ny finoana ka tsy ho mora handairan'ny famoizam-po. Fotoana fanorenana ny fahatanorana ka tsy tokony hanjeny ny andro ho lava, ary tsy miasa irery fa miaraka amin'i Kristy. Katesizy momba ny fananana hazon-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.

Alatsinainy 1 novambra 2021 — Fetin'ny Olomasina rehetra — Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana, fa hanamaivana Anareo Aho, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 1-12a

Manana anjara toerana lehibe amin'ny famolavolana ny tanora hanana hazon-damosina ny fanabeazana. Fanabeazana izay natao hanoro ny lalana izorana sy ny lalam-pitondran-tena fa tsy hitsikera fotsiny ny voka-dratsin'ny zava-bita. Jesoa nanoro antsika ny lalana ahitam-pahombiazana hahazoana ny hafaliana sy ny fanantenana amin'ny ho avy. Katesizy momba ny fananana hazon-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...