Talata 2 novambra 2021 — Fahatsiarovana ny mpino nodimandry — Avia ianareo, ry nosoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo, hatrizay naharina an’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 1-6

Mahatsiaro ireo mpino nodimandry ny Eglizy anio. Anjarantsika sy adidintsika mpino mbola velona tokoa mantsy ny mivavaka ho an’ny fanahin’izy ireo.

Eto amin’ity Evanjely ity àry, dia hafatra fanaovam-belona no natao’i Kristy tamin’ireo mpianany izay nahatonga an’i Tomà hanadihady tsara an’izany : "Tsy fantatray izay alehanao Tompoko ? Koa ahoana no hahafantaranay ny lalana ?" Tsy namaly mivantana i Kristy fa nanambara ny Tenany : "Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana"

Tsy azon’ireo mpianatra anefa izany fanambarana izany, eny na dia isika kristianina ihany koa aza. Isika matetika dia tsy miaina ny fahamarinana amin’ny lalana mankany amin’ny tena fiainana. Ny fanoloran-tena sy ny fahafatesan’i Jesoa teo ambonin’ny Hazofijaliana no mamaritra ny lalana marina mankany amin’ny tena fiainana mba hahazoantsika ilay toerana efa nomanina ho antsika.

Ny finoana an’i Jesoa àry, dia finoana ihany koa ny nahafatesany sy ny nitsanganany ho velona. Mino fa mbola misy fiainana ao aorian’izao fiainana izao. Mino fa miandry sy mandray antsika any amin’ilay tena fiainana. Aoka ary tsy hampitebiteby na hampatahoatra antsika ny fahafatesana, fa tokony ho ny mifanohitra amin’izany àry, satria efa Izy Andriamanitra mihitsy no efa miandry antsika. Diavo dieny izao àry ny lalana makany any amin’ny fiainana mandrakizay, dia i Kristy izany. Izy no nampianatra antsika hifankatia ary izay ihany no lalana.

Enga anie mba handry am-piadanana noho ny famindram-pon’Andriamanitra ny fanahin’ireo kristianina efa maty. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...