Alahady 18 desambra 2022 — Alahady fahefatra amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Indro ny virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny Anarany hatao hoe: Emanoela, izany hoe Andriamanitra eo anivontsika. Aleloia — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 1, 18-24
Niteny tamin'ny vavan'ny mpampinany Andriamanitra taloha fa taty aoriana dia tamin'ny alalan'ny Zanany Lahitokana. Tsy mora ny fiantefan'ny Tenin'Andriamanitra : velona sy mahery ny Tenin'Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, miteraka ny fiavahan'ny aina sy ny fanahy. I Jesoa irery ihany no Tenin'Andriamanitra arahintsika sy iainantsika ary hampanjakaina eto an-tany. Katesizy momba ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Sabotsy 17 desambra 2022 — Herinandro mialoha ny Noely — Ianao Filohan’i Davida izay mamoha ny varavaran’ny fanjakana tsy manam-pahataperana, avia ary tsoahy amin’ny fatorany ny voagadra tazonin’ny haizina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 1, 1-17
16 desambra — I Alice sy Adélaïde dia olona iray ihany. Mpanjakavavy niaina tamin'ny taonjato fahafolo izy io. Teraka tao Orba ny taona 931 i Alice. Zanaky ny mpanjaka Rodolphe II tao Bourgogne izy sy i Berthe avy any Souabe. Ny taona 647 izy no nanambady an'i Lothaire, mpanjaka tao Italie.
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco