Vakiteny voalohany

Bokin'i Izaia Mpaminany 7, 10-14

Indro hanana anaka ny Virjiny.

Tamin’izany andro izany,
niteny tamin’i Akaza ny Tompo nanao hoe:

“Mangataha famantarana amin’ny Tompo Andriamanitrao;
mangataha izany, na any amin’ny faravodin’ny Seoly,
na any amin’ny havoan’ny lanitra”.

Ka hoy i Akaza:

“Tsy hangataka aho; tsy haka fanahy ny Tompo aho”.

Ka hoy i Izaia:

“Mihainoa, ry taranak’i Davida:
Mbola tsy ampy anareo va ny mahasasatra ny olombelona,
no dia mbola mahasasatra an’Andriamanitra koa ianareo?
Noho izany dia Tenan’ny Tompo no hanome famantarana anareo;
Indro hanana anaka ny virjiny, ka hiteraka Zazalahy,
ary ny Anarany hataony hoe “Emanoela” izany hoe:
Andriamanitra eo anivontsika.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 3, 1-2. 34ab. 5-6

Aoka hiditra ny Tompo, fa Izy no mpanjakan’ny voninahitra.

An’ny Tompo ny tany sy izay mameno azy,
izao tontolo izao sy ny mponina ao aminy:
Izy nanorina azy tambony ranomasina,
nampitoetra azy tambonin’ny ony.

Iza no hiakatra am-bohitry ny Tompo?
Zovy no honina amin’ny toerany masina?
Dia izay mahitsy fo sy madio tanana,
tsy mba mianiana hahavoa namana.

Izy no tahin’ny Tompo,
vonjen’ilay Andriamanitra Marina,
taranaka mitady ny Tavany,
mitady ny Andriamanitr’i Jakôba.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma 1, 1-7

I Jesoa Kristy, avy amin’ny taranak’i Davida, no Zanak’Andriamanitra.

Izaho Paoly mpanompon’i Kristy Jesoa,
voaantso ho Apôstôly,
sy voatokana hitory ny Evanjelin’Andriamanitra,
— izay nampanantenainy rahateo tamin’ny alalan’ny mpaminany ao amin’ny Soratra Masina —
dia mamangy anareo rehetra malalan’Andriamanitra any Rôma.
Io Evanjely io
no misy ny fanambaran’Andriamanitra momba ny Zanany
(izay naterak’i Davida,
ho Zanak’Andriamanitra tamin’ny fitsanganany ho velona,
araka ny fanahin’ny fahamasinana),
dia i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay nandraisanay ny fahasoavana sy ny maha-Apôstôly anay
mba hampanaiky ny Jentily rehetra ny finoana,
amin’ny Anarany, ary anisan’ireny koa ianareo;
noho ny fiantsoan’i Jesoa Kristy.
Ry olo-masina voaantson’Andriamanitra:
ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana
avy amin’Andriamanitra Raintsika,
sy i Jesoa Kristy Tompo.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Indro ny virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy,
ary ny Anarany hatao hoe: Emanoela,
izany hoe Andriamanitra eo anivontsika. Aleloia.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 1, 18-24

I Jesoa naterak’i Maria, fofombadin’i Jôsefa, zanak’i Davida.

Toy izao no nahaterahan’i Kristy:
i Maria Reniny dia efa fofombadin’i Jôsefa;
fa raha mbola tsy niray trano izy ireo,
dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy.
Ary i Jôsefa vadiny, noho izy lehilahy marina
sady tsy te hanala baràka azy,
dia nikasa hametraka azy mangingina.
Nefa raha mbola nieritreritra izany izy,
dia indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho taminy,
tamin’ny nofy ka nanao hoe:

“Ry Jôsefa, zanak’i Davida,
aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao,
fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina,
ary hiteraka Zazalahy izy,
ka ny Anarany hataonao hoe Jesoa,
fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany”.

Ary izany rehetra izany no tonga,
dia mba hahatanteraka
izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe:

“Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy,
ary ny Anarany hatao hoe Emanoela,
izany hoe: amintsika Andriamanitra”.

Ary rehefa nahatsiaro tamin’ny torimaso i Jôsefa,
dia nanao araka izay nandidian’ny Anjely azy,
ka nampakatra ny vadiny.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...