Mety ho fanoitra ho an'ny fampandrosoana ny fahatongavan'ny mpila ravin'ahitra, fa tsy voatery ho vato misakana satria misy hatrany ny fifamenoan'ny talenta sy ny fahalalana. Ny rafitra ara-panjakana, any amin'ireo tany mandray mpila ravin'ahitra dia tokony hanara-maso tsara, mba tsy hahazo vahana ny fakam-panahy hanararaotana ny mpiasa vahiny. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
18 septambra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 1-10)
Ny katesizy dia mizara efatra lehibe, ary taorian'ny Konsily Vatikana-II no nandrafetana azy. Ny fizarana voalohany dia ny miresaka ny zavatra tsy maintsy inoana momba an'Andriamanitra, ny Trinite Masina, ny maha Mpahary ny Ray, ny fahatongavana ho nofo, ny fanavotana ary ny fitsanganan-ko velona, ny niakaran'i Jesoa any an-danitra, Jesoa Mpitsara, ny fisian'ny fanahimasina sy ny fiombonan'ny olomasina ; ny faharoa dia mampianatra ny "tsy maintsy atao mba havoavonjy"...
Mifameno ny lehilahy sy ny vehivavy eo amin'ny tontolon'ny asa, maro ny vehivavy manana talenta. Fanomezana hasina ny vehivavy ny fanomezana asa azy ireny. Ny ankizy dia manana ny zon'ny ary tokony feno taona vao miditra amin'ny sehatry ny asa. Adidin'ny ray aman-dreny, ampianan'ny Fanjakana ny miahy ny ankizy, indrindra ny hafahan'izy ireny misitraka zo hianatra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco