10 aprily 2024 — Alarobia, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao sy nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 16-21)
Miroso tsikelikely ny fahafantaran'ny olona iray ny tenany ; dieny mbola kely dia atao fantany na lahy izy na vavy ; ary ampifanarahana amin'izany ny fanabeazana azy sy ny fitondràna azy ao an-tokantrano. Adidy mavesatra ho an'ny ray aman-dreny ny firesahana izany satria hevirin'izy ireo ho zava-pady na mahamenatra ny firesahana ny maha lahy na maha vavy ny olona iray. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
9 aprily 2024 — Talata, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 7-15)
Misy endri-pinamanana môdely maro ambaran'ny Soratra Masaina : (Rota sy Nhemia) i Rota dia vinantovavin'i Nhemia ary azo inoana fa nisy fahasamihafana lehibe teo amin'izy ireo. Ankoatra izany, tsy nitovy ny fiaviany ara-kolontsaina. Na dia teo aza ireo tsy fitovian-kevitra ireo dia nanjary nifandray mafy tamin'ny fisakaizana izy ireo (Rota 1 : 16). Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco