Ny andrakandram-piraisana alohan'ny fanambadiana dia tsy tsara velively hiomanana amin'ny fanambadiana. Amin'ny ankapobeny ny tanora dia samy tia andrakandrana avokoa saingy ny zazalahy no somary lasa aloha toy ny mifoka sy misotro, firaisana amin'ny zazavavay , irety farany kosa dia ny tahotra no lasa aloha na entim-pilàna ihany aza. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
22 mey 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 37-39)
Mila fehezina ny faniriana hitady fahafinaretana amin'ny tena ; diso ny fiheverana fa ahafahana miala amin'ny filàna fahafinaretana avy amin'ny tena ny fisakaizana amin'ny olona iray, indrindra ny firaisana sy ny kilalao hahazoam-pahafinaretana hafa. Ny maha tanora sy ny maha olon-dehibe dia ny fahaizana mifandray amin'ny hafa, tsy mampiasa azy ho fitaovana fakàna fahafinaretana. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
21 mey 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Tompontsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 29-36)
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco