Vakiteny voalohany

Boky faharoan’ny Mpanjaka (2 Mpanj. 2, 1. 6-14)

Indro misy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy, ka niakatra ho any an-danitra tamin’ny tafio-drivotra i Elia.

Nony efa hampakarin’ny Tompo ho any an-danitra amin’ny tafio-drivotra i Elia,
dia niara-nandeha avy any Galgalà i Elia sy i Elisea.
Ary hoy i Elia taminy:

“Mijanòna eto raha sitrakao,
fa irahin’ny Tompo ho any Jordany aho.”

Fa hoy ny navaliny:

“Velona ny Tompo ary velona ny ainao! tsy handao anao aho!”

Koa niara-nandeha izy roa lahy.
Nisy dimampolo lahy tamin’ny zanaky ny mpaminany nanaraka azy,
ary nipetraka eny lavitra eny tandrify azy,
ary izy roa lahy dia nijanona teo amoron’i Jordany.
Dia nalain’i Elia ny kapaotiny;
nahorony nikapohany ny rano, izay nisaraka roa teo an-daniny avy,
ary izy roa lahy nita tamin’ny tany maina.
Nony tafita izy ireo dia hoy i Elia tamin’i Elisea:

“Angataho izay tianao hataoko aminao,
alohan’ny hangalana ahy aminao.”

Ary hoy ny navalin’i Elisea:

“Ny mba hahazo anjara roa amin’ny fanahinao.”

Ka hoy i Elia:

“Mangataka zava-tsarotra ianao,
kanefa raha mahita ahy ianao amin’ny hangalana ahy hiala aminao,
dia ho tonga aminao izany;
fa raha tsy izany kosa dia tsy ho tonga izany.”

Mbola nanohy ny diany sady niresaka eny izy ireo;
dia indro nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy,
ka niakatra ho any an-danitra tamin’ny tafio-drivotra i Elia.
Sady nijery i Elisea no niantso hoe:

“Ry ikaky ô, ry ikaky ô!
Kalesin’i Israely sy mpitaingin-tsoavaliny!”

Dia tsy nahita azy intsony izy.
Tamin’izay nalainy ny fitafiany, norovitiny roa,
ary noraisiny ny kapaotin’i Elia izay nitambotsotra niala taminy.
Rahefa izay dia teo amin’i Jordany izy dia nijanona teo amorony.
Noraisiny ny kapaotin’i Elia izay nitambotsotra niala taminy,
nikapohany ny rano, ka hoy izy:

“Aiza ny Tompo Andriamanitr’i Elia? Aiza Izy?”

Ary nony nokapohiny ny rano,
dia nisaraka roa ho eo an-daniny avy, ka nita i Elisea.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 30, 20. 21. 24

Mahereza, hatanjaho ny fo, ianareo rehetra miantehitra amin’ny Tompo.

Akory ity haben’ny hatsaranao
izay atokanao ho an’ny matahotra Anao
sy asehonao ny mpifehy aminao
eo anoloan’ny zanak’olombelona!

Ny fieren’ny tavanao no anafenanao azy,
lavitry ny tetika ataon’ny olona;
ny fialofanao no ampierenao azy,
lavitry ny lela mpanangana ady!

Tiava ny Tompo, ry mpivavaka rehetra
fa ny Tompo miambina ny mpino;
fa ny mpiavona kosa
valiany tsy an’erany!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao, ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 1-6. 16-18)

Ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Tandremo sao hataonareo eo imason’ny olona ny asa soa hataonareo mba hahitany azy;
fa raha izany, dia tsy hahita valisoa amin’ny Rainareo izay any an-danitra ianareo.
Koa amin’izany raha manao fiantrana ianao,
dia aza mitsoka trômpetra eo alohanao
tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy ao amin’ny sinagôga sy eny an-dalam-be,
mba hankalazan’ny olona azy.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.
Fa raha manao fiantrana ianao,
aoka ny tananao havia tsy hahalala izay ataon’ny havanana,
mba hiafina ny fiantrana ataonao,
ary ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao.
Ary raha mivavaka ianareo, aza mba manao tahaka ny mpihatsaravelatsihy,
izay tia ny mivavaka mitsangana ao amin’ny sinagôga sy eny an-joron-dalana,
mba hahitan’ny olona azy.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.
Fa ianao kosa raha hivavaka, dia midira ao amin’ny efitranonao,
ka rahefa voarindrinao ny varavarana, dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny mangingina,
ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao.
Ary raha mifady hanina ianareo,
dia aza manjombona endrika tahaka ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy,
izay mampisotisoty ny tavany mba hahitan’ny olona fa mifady izy.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.
Fa ianao kosa raha mifady hanina, dia hosory zava-manitra ny lohanao,
ary sasao ny tavanao, mba tsy ho ny olona no hahita anao hoe mifady hanina,
fa ny Rainao izay ao amin’ny mangingina;
ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly soa anao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 jolay 2024

♦ Hotontosaina any amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana amin'ny volana aogositra 2024, ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly... ♦ Efa ao anatin'ny fahavononana tanteraka handray ireo vahiny avy amin'ny Diôsezy manerana an'ny Madagasikara, ny Diôsezin'i Maintirano, mandritra ny fanamasinana ho Eveka any Mgr Rakotohasimbola Clément Herizo, amin'ny 14 jolay 2024... ♦ Masera enina mirahavavy, avy amin'ny fikambanana Sœurs Missionnaires de l'Évangile, no nanonona ny voady mandrakizay, tao amin'ny EKAR Masindahy Joseph Vinaninkarena, Diôsezin'Antsirabe...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...