Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (Mpanj. 21, 17-29)

Nampanota an’i Israely ianao.

Taorian’ny nahafatesan’i Nabôta,
dia tonga tamin’i Elia Tesbita ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Mitsangàna ianao,
ka midìna hihaona amin’i Akaba mpanjakan’i Israely, manjaka ao Samaria.
Ao an-tanim-boalobok’i Nabôta ao izy izao, fa nidina nankany haka izany ho azy.
Ka mitenena aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo:
Moa tsy namono va ianao sy naka lovan’olona koa?
Dia hiteny aminy ianao hoe:
Izao no lazain’ny Tompo:
Eo amin’ny toerana nilelafan’ny alika ny ran’i Nabôta ihany
no hilelafan’ny alika ny ran’ny tenanao koa.”

Ary hoy i Akaba tamin’i Elia:

“Azonao va aho, ry ilay fahavaloko?”

Ka hoy ny navaliny:

“Azoko ianao, satria nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason’ny Tompo ianao.
Indro aho hahatonga loza aminao:
hataoko mafafa ianao, haringako ny lehilahy rehetra an’i Akaba
na ny mpanompo, na ny olona afaka, amin’i Israely,
ka dia hampanahafiko ny tranon’i Jerôbôama zanak’i Nebata
sy ny tranon’i Ahiasa, ny tranonao,
satria nihaika ahy hitezitra ianao, sady nampanota an’i Israely.
I Jezabela koa, nasian’ny Tompo teny hoe:
Hohanin’ny alika eny akaikin’ny hadin’i Jezrahela i Jezabela.
Izay an’ny tranon’i Akaba ka maty an-tanàna, dia hohanin’ny alika,
ary ny maty an-tsaha kosa, hohanin’ny voro-manidina.”

Fa tena tsy nisy nivaro-tena toa an’i Akaba hanao izay ratsy eo imason’ny Tompo,
satria i Jezabela vadiny no namporisika azy.
Nanao toe-pitondran-tena vetaveta indrindra izy
tamin’ny nandehanany amin’ny sampy,
araka ny fomba rehetra fanaon’ny Amôreanina,
izay noroahin’ny Tompo teo anoloan’ny zanak’i Israely.

Kanjo nony nandre ny tenin’i Elia i Akaba dia norovitiny ny fitafiany,
lasàka no natafiny ny tenany, nifady hanina izy,
nentiny nandry ny lasàka, ary nitsilasilasy fandeha izy.
Ka dia tonga tamin’i Elia Tesbita ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Efa hitanao va ny nanetren’i Akaba ny tenany teo anatrehako?
Ka noho izy nanetry tena teo anatrehako,
dia tsy hahatonga loza amin’ny androny kosa Aho
fa amin’ny andron-janany vao hahatonga loza amin’ny tranony Aho.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 50, 3-4. 5-6a. 11 sy 16

Iantrao aho, ry Andriamanitra, araka ny hatsaram-ponao.

Iantrao aho, ry Tompo Andriamanitra,
fa Ianao manko lalim-pitiavana.
Mba koseho re ny heloka vitako,
dia diovy aho hiala amin’ny otako.

Efa niaiky hadisoana ny tenako,
eo imasoko hatrany ny otako.
Taminao aho no diso, Andriamanitro;
fantatrao avokoa ny kilemako.

Mba esory eo imaso ny otako,
dia koseho tsy ho hita ny heloko.
Mba fafao amin’izay ny tomaniko,
hilazako fa Ianao no hany marina.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 43-48)

Tiavo ny fahavalonareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Efa renareo fa voalaza hoe:
Ho tia ny namanao ianao ary hankahala ny fahavalonao.
Fa Izaho kosa milaza aminareo:
Tiavo ny fahavalonareo manaova soa amin’izay mankahala anareo,
ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo;
mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo,
dia Ilay mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy,
ary mandatsaka ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.
Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo,
inona no valisoa ho azonareo?
Moa va na dia ny poblikanina aza tsy manao izany koa?
Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo,
inona no mihoatra amin’ny ataonareo?
Moa na dia ny jentily aza tsy mba manao izany ihany koa?
Koa aoka ho lavorary ianareo
tahaka ny fahalavorarian’ny Rainareo izay any an-danitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 jolay 2024

♦ Hotontosaina any amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana amin'ny volana aogositra 2024, ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly... ♦ Efa ao anatin'ny fahavononana tanteraka handray ireo vahiny avy amin'ny Diôsezy manerana an'ny Madagasikara, ny Diôsezin'i Maintirano, mandritra ny fanamasinana ho Eveka any Mgr Rakotohasimbola Clément Herizo, amin'ny 14 jolay 2024... ♦ Masera enina mirahavavy, avy amin'ny fikambanana Sœurs Missionnaires de l'Évangile, no nanonona ny voady mandrakizay, tao amin'ny EKAR Masindahy Joseph Vinaninkarena, Diôsezin'Antsirabe...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...