Maro ny olona manao fanamarihana fa mbola tsy tafarina ny toe-tsaina ho an'ny Malagasy ary izay no antony tsy mahatomombana ny fandrosoana. Anjara biriky no nentin'ny fandaharana mba hanabeazana ny mpiara-monina fa mbola betsaka ny adidy sy andraikitra miandry ny rehetra. Mila resy lahatra ny olona iray maniry ny hanarina toe-tsaina, satria sarotra ny miala amin'ny fahazarana. Tsara raha mbola kely ny ankizy no efa zarina sahady amin'ny lalana mahitsy. Rehefa lehibe ny olona dia ny fiainana sy ny fiaraha-monina no manitsy azy, anefa mety ho tara loatra izany...
Ny kitrotro dia aretina tsy maintsy hanaovana fanambarana, sokajiana ho isan'ny aretina misy mamorifotra eny amin'ny hoditra. Ny fiatombohan'ny volana novambra teo no nirongatra indray ity aretina ity. Ny kitrotro dia aretina ateraky ny tsimok'aretina "paramyxovirus", ary mety ahazo ny zaza 6 volana hatramin'ny 5 taona fa mety hisy ihany ireo olon-dehibe. Ny fomba fifindrany : amin'ny olona samy olona amin'ny alalan'ny rora na lelo. Fambara : tandomerina manomboka eo amin'ny tarehy, tasy fotsy anaty vava, manavy ary miakatra be ny hafanana, mitsoro ranin-delo, tarimo eo amin'ny tenda, malain-komana, mena ny maso, mikohoka, reraka...
Mamondron-kery miaro ny tontolo iainana sy mitaky ny rariny sy ny hitsiny amin'ny lafiny rehetra ho an'ny vehivavy tantsaha ireo vehivavy miantsehatra eny ambanivohitra eto Madagasikara na ny FARM "Femme en Action Rurale de Madagascar". Fikambanana mitaky ny zon'ny vehivavy tantsaha amin'ny sehatr'asa ilofosany sy ny fiainany amin'ny maha-olona azy.
Ho an'ny tsirairay ao amin'ny ankohonana dia tsara ny fikatsahana ny : firindràna sy filaminana mba hiteraka fahasambarana. Araraotina ny tonon-taona mba hanorenena fifanakalozana fijery miabo ary fiaraha-monina mampiombona. Hapetraka ny fitsipika ka asiana fotoana iaraha-maneho fa fo mitempo miaraka no ao amin'ny ankohonana. Ilaina ny fivoizana ireto soatoavina ireto: fifankatiavana, fifampizarana, fiarahana matetika, fifankahafantrana, fiekena fahadisoa, fandeferana, fiaraha-mifaly anaty fahamarinana sy fifanajàna. Rehefa voahaja ny fitsipika, mirindra ny fiaraha-monina, milamina fifandraisana dia miseho mora foana ny fahasambarana ho an'ny ankohonana.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco