Ilaina ny fahaizana mifanampy ao anivon'ny ankohonana ao. Ny fifanampiana dia manamafy sy manatsara ny rivo-piaraha-monina. Ny fahaiza-mihaino sy ny fahaizana mifanampy dia mifameno. Fandaharana "mba ho vanona", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'i Jeneraly Désiré Ramakavelo.
Manàna herin-tsaina mba hahafahana manova ny tokony hovaina sy ny azo hovaina ; manàna fahatoniana mba hahafahana manaiky izay tsy azo hovaina ; ary manàna fahendrena mba hahafahana mamantatra ny maha samy hafa azy ireo... Tsy tokony hiankina amin'olona hafa na toe-javatra hafa ny ezaka na fanovana tokony hatao fa miankina amin'ny tenantsika irery. Ny faharesen-dahatra anaty dia mitondra ny olona iray ho amin'ny fivoarana sy ny fandrosoana. Mifanohy ary mifampiankina ny herin-tsaina sy ny fahatoniana ary ny fahendrena. Fadaharana "Ampela Miary" vokarina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny olona manana toe-batana "matavy" dia azo ambara fa marary. Ny hatavezana dia fiangonan'ny tavy be loatra ao amin'ny vatan'ny olombelona iray. Azo ambara fa manaranaka ny hatavezana satria mifampiankina amin'ny fomba fiaina andavanandro sy mahazatra io aretina io. Misy karazan'ny roa io aretina io : ny voalohany dia ireo mihoatra lanja, ary ny faharoa dia ny matavy. Ny mahasamihafa azy ireo dia ny valin'ny kajy IMC : Mihoatra lanja raha mihoatra na mira 25 ny IMC, ary matavy rah mira na mihoatra ny 30 ny IMC an'olona iray. Ny fomba hikajiana azy : Lanja (kg) zaraina amin'ny halavana ambitomboina halavana. IMC 16-18,4 = tsy ampy lanja ; 18,5-24,9= antonony... Marefo ara-pahasalamana ny olona matavy...
Manana drafitr'asa vaovao 2023-2025 hampandrosoana ny lalam-pihariana ronono manerana ny nosy ny Malagasy Dairy Board na ny MDB. Natolotra tamin'ireo mpisehatra samihafa misahana ny fiompiana indrindra ireo misehatra amin'ny lalam-pihariana ronono, tamin'ny alalan'ny atrik'asa teny Antanimena izany drafitr'asa vaovao izany ny 25 nôvambra 2022 teo...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco