Ny fanantenana tsy manodoka" Rm 5,5 fa manome hery antsika amin'ny andro fitsapana. Mety hitondra fiononana izany teny izany, mety hisarika ny saina hametra-panotaniana koa nefa, indrindra rehefa marary sy mitondra fangirifiriana. Ahoana no hananana tanjaka raha hitantsika manoloana antsika ireo olona tiantsika mijaly, nefa tsy afa-manoatra isika tsy afaka hanampy azy akory ?. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.

Maro ireo soatoavina malagasy tsara sy azo iainana ary nampiavaka ny mponina teto amin'ity nosy Madagasikara ity. Soatoavina mampandroso toa ny Fitiavana, Fahamarinana, Fihavanana. Tsy maintsy ny Malagasy rehetra anefa no miara-miaina ireo soatoavina ireo mba hisian'ny fandrosoana azo antoka. Manana ny lanjany ny fanabeazana, koa mila mivonona ny ray aman-dreny hanoro lalana mahitsy ny zanany, indrindra handala ny soatoavina... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny fitiavana dia sahala amin'ny tady tsy hita maso mampifandray fon'olona roa, lahy sy vavy. Sarotra ho an'ny tanora ny mamantatra ny tena fitiavana sy ny haitraitra, ny fitiavana anefa tsy lamaody. Raha mbola latsaky ny 17 taona dia mbola tsy matotra ary mbola tsy mahalala ny lanjan'ny fitiavana ny tanora iray. Maro ny diso amin'ny hoe "fitiavana" mira " firaisana ara-nofo...  Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny fahatsentsenan'ny lalan-dra dia aretina matetika mitranga sy mety hafaty tampoka olona iray. Ny tsy fikorinan'ny ra araka ny tokony ho izy, manerana ny vatana dia mety hiteraka fikorontanana amin'ny lafiny ara-pahasalamana. Ireo mety hanentsina ny lalan-dra : 1- Ra mivaingana 2- Fisian'ny tavy na menaka anaty lalan-dra ka mahatery ny fikorinany. 3-Fisian'ny rivotra tafiditra amin'ny lalan-dra... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...