• Olon-dehibe mijoro amin'ny finoana sy fanantenana Kristianina, hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiavana eo amin'ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana. Io teny manentana ny Andro Nasionaly ho an'ny Olon-dehibe andiany faharoa io no nantintranterin'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona nandritra ny fanokafana izany tany amin'ny Diosezin'i Morondava... • Samy ao anatin'ny fanatanterahana ny Andron'ny Tanora isan-diosezy ihany koa ny ao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa sy Port-Bergé, izay hifarana ny alahady izao...

[Vaovao manokana] Alarobia 19 aogositra 2026

Notendren'ny Papa Leon xIV ho Eveka mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera MARIUSZ KASPERSKI, pretra avy amin'ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée (OMI), Curé ao amin'ny Paroasy Md Eugène de Mazanod, ao Toamasina.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...