29 septambra 2024 — Alahady Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 37-42. 44. 46-47)
Alahady faha-26 mandavantaona - B : Iza avy no tena an'i Kristy ; Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao. Ny vahoaka rehetra no tokony ho mpaminany, mitondra ny tenin'Andriamanitra. Raha tsy isika fa olon-kafa no mahita hevitra hampandrosoana ny fiangonana, mialona ve isika sa sambatra? Aoka tsy ny tombontsoa no hibahana amin'ny fanapahan-kevitra amin'ny fampandrosoana ny finoana. Tsy ny vola aman-karena no miantoka ny fahasambarana marina ; ilaina ny vola fa atao hanampy izy ireny fa tsy tanjona izay mety hatakona ny hafa sy Andriamanitra. Azo atao ny mampiasa ny harena hanompoana ny hafa, ary mitondra amin'ny fahasambarana marina...
Tsy azo fafana ny famindram-pon'Andriamanitra ao amin'ny olombelona. Na inona na inona fahotantsika olombelona dia Andriamanitra mamindrafo mandrakariva. Andriamanitra ihany no mahalala ny tso-drano izay nomeny antsika. Tahaka ny toetra ananan'Andriamanitra sy ny famindram-pony dia antenainy iska mba hisokatra sy hihatsarana ihany koa... Katesizy momba ny tso-drano, iarahana amin'i P. Philippe Ranaivoarisoa.
28 septambra 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 44b-45)
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco