Masina Maria dia nino tamin'ny andro niantsoan'Andriamanitra azy, na mbola zazavavy aza izy. Ankehitriny dia voafetra ny lalàn'ny fiangonana ny fotoana hirosoana amin'ny fanambadiana kristianina. Masina Maria dia namakafaka tsara vao nankatoa ilay antso izay nampitain'ny anjely taminy. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Sabotsy 11 septambra 2021 — Herinandro fahatelo amby roapolo mandavantaona — Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 43-49
Misy ny fiovana rehefa voaantso ny olona iray ; ohatra i Md Piera dia mpanarato trondro fa lasa mpanarato olona. Eo am-pandinihina ny antson'Andriamanitra miantefa amin'ny tsirairay dia fantarina tsara aloha ny tena sy ny maha-izy azy ny tsirairay. Ny olona nantsoin'Andriamanitra dia nanankinany andraikitra araka ny maha-izy azy avy. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Zoma 10 septambra 2021 — Herinandro fahatelo amby roapolo mandavantaona — Ny tenin’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay; ary izany tenin’Andriamanitra izany dia ny Evanjely izay notorìna taminareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 39-42
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco