Alahady 16 janoary 2022 — Alahady faharoa mandavantaona — Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika; ary amin’ny alalany dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 2, 1-12

Ilay fampakaram-bady tao Kanà izay nanovan’i Jesoa ny rano ho divay no Evanjely atolotrin’ny Eglizy anio. Io koa no fahagagana nataony voalohany.

Fampakaram-bady tojo olona no niseho teto satria lany ny divay. Ho an’ny Jody mantsy dia io divay io no famantarana ny hafaliana. Noho izany dia fety tsy ampy hafaliana no hita teto. Teo no nidiran’i Masina Maria an-tsehatra ary nanoro ireo mpanompo tamin’ny fanasana mba hanatanteraka ny tenin’i Jesoa. Tena Reny tokoa izy satria dia tsy nijery fotsiny ny fahasahiranantsika zanany.

Nitondra hafaliana an’ity fampakaram-bady tao Kanà ity tokoa i Jesoa satria nekeny ny nanovana ny rano ho divay. Hafaliana ho an’ireo olona rehetra izay nasaina mihitsy no hita teto. Izy tokoa no loharanon’ny hafaliana ho antsika olombelona. Ny fanatanterahana ny teniny àry, araka izany no antoky ny hafaliana ho antsika. Io no nampitombo ny finoantsika an’i Jesoa sy ny fahatokisantsika Azy.

"Ny hahasambatra antsika no sitrak’Andriamanitra", io moa no foto-kevitra izay omen’ny Eglizy anio. Fahasambarana izay tsy afa-misaraka amin’ny hafaliana. Mahatsiaro ho sambatra eo am-panekena ny tenin’i Jesoa. Ny olona sambatra tokoa mantsy no afaka mizotra mankany amin’ny lalam-pahamasinana.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...