Alatsinainy 17 janoary 2022 — Herinandro faharoa mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy  Marka 2, 18-22

Fanontaniana naka endrika tsikera no nisy nametraka tamin’i Jesoa mahakasika ny tsy fifadian-kanina ataon’ireo mpianany. Mazava ny navalin’i Jesoa fa miala eo amin’izy ireo ny mpampakatra, ka amin’izay vao hifady hanina izy ireo.

Ny Mpampakatra tiany ho teneniny eto dia Izy tenany ihany, i Jesoa Kristy. Raha mbola eo anivontsika tokoa mantsy Izy, dia tokony hafaliana mandrakariva no hanenika ny fiainantsika. Miara-mifaly aminy, noho izany tsy ilaina ny mifady hanina. Ohatra fotsiny, rehefa tonga ny Noely, fankalazana ny fahatongavan’i Jesoa ho nofo izay vao avy nodiavintsika teo, ny Eglizy dia mamporisika antsika ary handray izany an-kafaliana.

Ankilan’izay anefa, dia misy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra eto anivontsika, dia ny Zoma Masina izany. Io no hamporisihan’ny Eglizy antsika izay mpianatr’i Kristy ny hifadiana hanina. Tsaroantsika fa Izy Jesoa mihitsy no niaina an’io fifadian-kanina io voalohany nandritry ny 40 andro rehefa nalain’ny demony fanahy tany an’efitra Izy.

Ry kristianina havana, aoka ary mba am-pitiavana tokoa no hanatanterahantsika ny fifadian-kanina izay entintsika miady amin’ny fahotana miaraka amin’ny vavaka. Mifady hanina isika mba ho fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana ary koa nampianatra antsika amin’ny famolahan-tena sy mba hanana fo vaovao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...