Ny antony faharoa mahatonga ny fahantrana eto Madagasikara dia ny toe-tsaina tsy vonona handroso. Maro ny manana toe-tsaina zatra miandry sy tolorana fotsiny, ao ireo mpanome tsiny fanjakana fotsiny. Tsy mampandro velively ny toe-tsaina kamo miasa, ilay tia midoroka sy ny fiononana amin'ny lova. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Alarobia 6 aprily 2022 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 8, 31-42

Ny antony mahatonga ny fahantrana eto Madagasikara dia zavatra maro. Isan'izany ny ara-politika : maro ny mifamotika, mifaminga, miady seza, izay mampitondra takaitra ny firenena, eo koa ny krizy miverina isaky ny 10 taona. Ireo mpanao politika dia maro no efa tonga eo amin'ny fitondrana vao mihevitra izay paik'ady hampandrosoana, fa miaina amin'ny handrana fotsiny. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Talata 5 aprily 2022 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy  — Ny tenin’Andriamanitra dia voa afafy, i Kristy no mpamafy; izay rehetra mahita Azy dia honina ao aminy mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 8, 21-30

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...