Sabotsy 18 marsa 2023 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe: “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.” — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 9-14)
Rehefa mitombo ny velaran’ny fiaraha-monina dia mitombo ny adidy sy andraikitra. Maro ihany koa ny olana. Adidin'ny tsirairay no milatsaka ho naman’ny rehetra : manompo ny hafa, indrindra ireo marefo sy voahilika. Ilaina ny rafitra mba tsy hifanitsaka andraikitra : ohatra ao amin'ny ankohonana ; mifanentana amin’ny fahefan’ny ray ny adidiny, toy izany koa ny reny sy ny zanaka. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Zoma 17 marsa 2023 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 28b-34)
Voajanahary ny fitsipika sy ny lalàna ho an’ny fiaha-monina, lalàm-pitiavana no fepetra: tsy ho an’Andriamanitratra sy ny olombelona fotsiny fa natao ho an’ny firahalahian’ny olombelona. Mifampiankina ny fandrosoana amin'ny lafiny rehetra. Voajanahary ny fiaraha-monina noho izany voajanahary ihany koa ny fahefana ara-politika hitantanana ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco