Zoma 17 marsa 2023 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 28b-34)

Efa fanta-daza i Jesoa ; efa azon’ny olona maro ny fampianarany ; azon’ny olona maro antoka izy ; olona natoky azy ity Farisianina nanatona nanontany azy ity ka novaliany tamim-pahendrena. Maro tokoa manko ireo didy fampiharana sy lovan-tsofina tsy maintsy tandremana. Niisa 613 araka ny tantara. Ilay fanontaniana izany eto dia hoe : iza amin’ireo didy rehetra ireo no tandremana dia ampy ? Iza no mahafaoka azy rehetra. Tokana fa roa lafy ny valin-tenin’i Jesoa : ny fitiavana an’Andriamanitra amin’ny maha izy ny tena ary fitiavana ny namana tahaka ny tena. Io fitiavana io ilay Vaovao Mahafaly notorin’i Jesoa. Voafintina ao amin’io ny didy rehetra. Ary ny fahotana rehetra dia fahadisoana amin’ny fitiavana.

Misy fomba hafa koa inoana ahitana sitraka amin’Andriamanitra dia ny fanolorana sorona. Nandiso fiheverana ny maro ihany izany satria nataon’ny olona fialokalofana ; satria hoe rehefa mahafaly an’Andriamanitra ny sorona atolotra dia ampy izay ; tsy ahoana firy izay olombelona any. Eo i Jesoa no mampianatra fa tsy misaraka ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiava-namana, izany hoe sady mivavaka no mahay miaina, mamonjy olona. Tsy mitovy laharana akory Andriamanitra sy ny namana fa noho ny olona endrik’Andriamanitra dia mila hajaina sy tiavina. Ny fitiavana ny namana hita maso no famantarana ny fitiavana an’Andriamanitra tsy hita maso. Hitombo fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana isan’andro anie isika. Amen.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...