Alatsinainy 27 marsa 2023 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 1-11)
Ny fahefana dia fanompoana : fanompoana an'Andriamanitra sy ny namana. Ny fahefana amin'ny Eglizy dia fanasoavana ny vahoaka. Ny pôlitika dia mitaky finiavana sy hitsim-po ary fahamarinana, tsy maintsy mikendry ny soa iombonana. Manoloana ireo adidy sy andraikitra dia ilaina ny fahasoavan'Andriamanitra. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Alahady 26 marsa 2023 — Alahady fahadimy amin'ny Karemy — Taona A — Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy, hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 11, 1-45)
Ny fanarararaontam-pahefana dia tsy eken'ny Eglizy. Tsy mifanaraka amin'ny fijerin'ny Eglizy ihany koa ny tsy mikatsaka ny soa iombonana na ireo diso tanjona amin'ny fanangonan-karena sy ny fanarararaotana ny fahafantaran'olona. Ho an'ny Egilzy dia zava-dehibe ny soa iombonana voazara araka ny tokony ho izy, mitovy sy tsara tantana izany no antoky ny fampandrosoana. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco