Alarobia 29 marsa 2023 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 31-42)
Miseho lany ny ady, maro ny olana avy amin'ny mpanao pôlitika mikasika ny lamina araka ny sitrapon'Andriamanitra : minia mandika ny fetra sy ny lamina ny olombelona ; ohatra ny nanomezan'Andriamanitra fahefahana ny olombelona voalohany nohariana hitantana ny zava-boahary fa tsy voahaja ny lamana ka nihinana tamin'ny voankazo voarara ihany i Adama sy Eva. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Talata 28 marsa 2023 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Ny tenin’Andriamanitra dia voa afafy, i Kristy no mpamafy; izay rehetra mahita Azy dia honina ao aminy mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 21-30)
Ny pôlitika dia mikatsaka ny soa iombonana ary manome lanja ny fahamendrehan'ny olombelona sy ny zava-boahary. Olana avy amin'ny mpanao pôlitika ny fampiasana fahefana mandingana ny fetra nandaharan'Andriamanitra izany hoe mizaho zaho, tsy mahita ny fahantran'ny hafa. Mihevi-tena ho tsy refesi-mandidy ka manao didikofehy lehibe, mitsijinjo ny madinika. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco