Vakiteny voalohany
Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 13, 1-9. 15-17. 19-30. 33-62)
Indro aho fa maty nefa tsy nisy nataoko akory.
Nisy lehilahy anankiray, atao hoe Jôakima, nonina tao Babilôna;
nanambady vehivavy anankiray, atao hoe Sozana, zanakavavin’i Helkiasa,
sady tsara tarehy tokoa, no natahotra an’Andriamanitra,
satria olo-marina rainy aman-dreniny,
ka nampianatra ireo zanany, araka ny lalàn’i Môizy.
Mpanankarembe io Jôakima io,
ary nanana zaridaina teo akaikin’ny tranony izy,
ary be ny Jody mankao aminy,
satria izy no manan-kaja indrindra tamin’izy rehetra ireo.
Tamin’izay taona izay,
dia notendrena ho mpitsara ny loholona roa lahy tamin’ny vahoaka;
ireo no nitenenan’ny Mpampianatra nataony hoe:
“Ireo antidahy, izay mpitsara ka toa mitondra ny vahoaka,
no nivoahan’ny faharatsiana avy ao Babilôna.”
Ao an-tranon’i Jôakima no falehan’izy ireo,
ary ny olona rehetra manana ady dia manatona azy.
Tokony ho amin’ny misasak’andro, rahefa lasa ny vahoaka,
i Sozana kosa miditra tao anatin’ny zaridain’ny lahy
ka nitsangantsangana tao.
Hitan’ireo anti-dahy roa lahy izy,
niditra sy nitsangantsangana ao isan’andro,
ka velom-panirian-dratsy azy mafy izy ireo:
nosimbany ny sainy ary naviliny tsy hahita ny lanitra ny masony
sy tsy hahatsiaro izay fitsarana marin’Andriamanitra.
Eo am-pikendrena izay fotoana mety indrindra izy ireo
no indro i Sozana niditra tao anaty zaridaina
toy ny nataony omaly sy afakomaly,
tsy narahin’olona, afa-tsy ankizivavy roa,
fa te-handro ao anaty zaridaina izy, satria nafana ny andro.
Tsy nisy olona tao, afa-tsy iretsy anti-dahy niery sy nikendry azy.
Dia hoy razazavavy tamin’ireo ankizivavy:
“Itondray diloilo manitra sy menaka fanosorana aho;
ary hidio ny vavahadin’ny zaridaina fa handro aho.”
Vao lasa ireo ankizivavy, dia nitsangana izy roa lahy,
nidodododo nankeo amin’i Sozana, ka nanao taminy hoe:
“Hitanao fa mihidy ny vavahadin’ny zaridaina,
tsy misy mahita antsika, ary izahay mirehi-pitiavana anao;
koa ekeo ny fanirianay, meteza mba ho anay.
Fa raha mandà kosa ianao,
dia hitsangan-ko vavolombelona miampanga anao izahay,
hilaza fa nisy tovolahy anankiray nomba anao,
ka izany no namerenanao an’ireo ankizivavy.”
Nisento i Sozana ka nanao hoe:
“Latsaka an-katerena mafy aho avy hatraiza hatraiza:
hanao izany moa aho, fahafatesana ho ahy izany;
tsy hanao izany indray, tsy ho afa-mandositra ny tananareo.
Aleoko anefa tsy nanao ratsy azon’ny tananareo;
toy izay hanota eo anatrehan’ny Tompo.”
Dia niantso mafy izy;
fa mba niantsoantso hamely azy koa, ireto anti-dahy;
sady nihazakazaka namoha ny vavahadin’ny zaridaina ny iray amin’izy ireo.
Vao nandre ny antsoantso avy any anaty saha ireo mpanompo tao an-trano,
dia nidodododo niditra ny vavahady tao ivoho hizaha izay inona ao.
Nony nilazalaza ny toe-draharaha ireto anti-dahy
dia menatra mafy ireto mpanompo,
fa tsy mbola nisy nilaza zavatra toy izany, ny amin’i Sozana, na iza na iza.
Ny ampitson’iny rahefa tafavory tao amin’i Jôakima vadin’i Sozana ny vahoaka,
dia tonga tao koa ireo anti-dahy roa lahy,
efa feno hevi-dratsy hamelezana an-drazazavavy mba hahafaty azy.
Hoy izy ireo teo anatrehan’ny vahoaka:
“Ampanalao i Sozana, zanak’i Helkiasa sy vadin’i Jôakima.”
Dia naniraka haka azy niaraka tamin’izay ny olona.
Dia tonga razazavavy nomban’ny ray aman-dreniny
sy ireo zanany lahy, ary ny havany rehetra.
Nandatsa-dranomaso avokoa ny fianakaviany rehetra
mbamin’izay nahalala azy.
Dia nitsangana teo afovoan’ny vahoaka ireto anti-dahy roa lahy,
nametra-tanana tamin’ny lohan-drazazavavy;
izy kosa, sady nitomany no niandrandra ny lanitra,
satria natoky ny Tompo izy.
Ary hoy ireto anti-dahy:
“Raha nitsangantsangana tao anaty zaridaina izahay
dia honjohonjonay ihany,
indro izy niditra narahin’ankizivavy roa;
ka nasainy nohidiana ny vavahadin’ny zaridaina,
dia naveriny ireo ankizivavy roa ireo.
Ary nisy tovolahy anankiray efa namitsaka tao, nanatona azy,
dia nanao ratsy taminy.
Tao an-joron’ny zaridaina izahay,
fa rahefa nahita izany heloka izany dia niroatra nankeo amin’izy ireo,
ka tratranay tamin’izany fahavetavetana izany izy.
Tsy azonay nosamborina ilay tovolahy fa matanjaka noho izahay,
ka novohàny ny vavahady dia nitsoaka izy.
Razazavavy kosa, nony azonay, nanontanianay hoe:
iza iny tovolahy iny,
nefa tsy nety nilaza taminay izy.
Izany no filazanay marina.”
Nino izany ny be sy ny maro,
satria anti-dahy ireo sady mpitsara ny vahoaka;
ka dia nohelohin’izy ireo ho faty razazavavy.
Fa tamin’izay i Sozana niantso tamin’ny feo mahery nanao hoe:
“Ry Andriamanitra mandrakizay ô,
Ianao no mahalala ny miafina sy mahafantatra ny zavatra rehetra
alohan’ny ahatongavany aza.
Fantatrao fa lainga no niampangan’izy ireo ahy,
ary indro aho fa maty,
nefa izay noforoniny an-kasomparana hamelezana ahy,
tsy misy nataoko akory.”
Nohenoin’ny Tompo ny feony.
Ary raha ilay nitondra azy hovonoina iny ny olona,
Andriamanitra kosa nanaitra ny fanahy masin’ny zazalahy anankiray atao hoe Daniely.
Niantso tamin’ny feo avo io nanao hoe:
“Raha izaho dia afa-tsiny amin’ny ran’io vehivavy io.”
Niherika nankany aminy avokoa ny vahoaka,
sady nanao taminy hoe:
“Inona no hevitr’izany teny lazainao izany?”
Dia nijoro tao afovoan’ny vahoaka i Daniely,
nilaza hoe:
“Hay va re adala toy izany ianareo, ry zanak’i Israely,
ka hampamono ny zanakavavin’i Israely,
nefa tsy mbola namototra na nikaroka izay marina ianareo?
Miverena ho any amin’ny trano fitsarana,
fa lainga no niampangany azy io.”
Dia niverina faingana ny vahoaka;
ary hoy ny loholona tamin’i Daniely:
“Avia, hiara-mipetraka aminay ianao,
ary aposahy ny hevitra,
fa nomen’Andriamanitra anao ny voninahitry ny fahanterana.”
Ka hoy i Daniely tamin’ny vahoaka:
“Saraho hifanalavitra izy roa lahy,
fa hotsaraiko izy.”
Nony tafasaraka izy ireo,
nantsoin’i Daniely ny anankiray, dia hoy izy taminy:
“Ry olona nihantitra tamin’ny fanaovan-dratsy ô,
indreo hifototra aminao ny fahotana nataonao izay ela izay;
ianao efa namoaka fitsarana tsy marina,
nanameloka ny tsy manan-tsiny, ary nandefa ny meloka;
nefa hoy ny Tompo hoe:Aza mampamono ny tsy manan-tsiny sy ny marina.
Ka raha nahita an-drazazavavy àry ianao, dia lazao hoe:
teo ambany hazo inona no niresaka izy ireo?”
Hoy ny navaliny hoe:
“Teo ambany lentisika.”
Dia hoy i Daniely:
“Izany tokoa, fa lainga lazainao izany hahafaty anao,
fa vonon-kanapaka anao hisasaka ny Anjelin’Andriamanitra,
izay efa nahazo teny tamin’Andriamanitra sahady.”
Nony nampihataka an’io izy,
nasainy nampidirina indray ilay anankiray,
ka hoy izy taminy:
“Ry taranak’i Kanaana, fa tsy mba taranak’i Jodà ô,
sodokan’ny hatsaran-tarehim-behivavy ianao;
ary voasimban’ny filan-dratsy ny fonao.
Izany no nataonareo tamin’ny zanakavavin’i Israely;
ary izy ireo, noho ny tahony anareo, dia niresaka taminareo;
fa ity zanakavavin’i Jodà kosa
tsy mba nety nandefitra izay faharatsianareo akory.
Koa mba lazao amiko ankehitriny hoe:
teo ambany hazo inona moa no tratranao niresaka izy ireo?”
Hoy izy:
“Teo ambany oaka.”
Ka hoy i Daniely taminy:
“Izany tokoa, fa lainga lazainao izany, hahafaty anao;
fa efa miandry ny fotoana hamakiany anao hisasaka ny Anjelin’ny Tompo,
mitan-tsabatra, hamono anareo.”
Dia nihoraka mafy ny vahoaka rehetra tafavory,
ary nisaotra an’Andriamanitra, fa mamonjy izay manantena Azy Izy.
Nony inona nitsangana ireo, hamely an’ireto anti-dahy roa lahy,
izay nataon’i Daniely vaky lainga,
araka ny teny naloaky ny vavany ihany ho miampanga tsy marina;
ka ny ratsy notadiaviny hatao tamin’ny namany ihany,
no nataony tamin’izy roa lahy, mba hahatanteraka ny lalàn’i Môizy;
dia novonoiny ho faty izy ireo
ary ny ra tsy manan-tsiny dia voavonjy tamin’izany andro izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Vakiteny voalohany
Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 13, 41d-62)
Indro aho fa maty nefa tsy nisy nataoko akory.
Nohelohin’ny vahoaka Israely ho faty i Sozana tany Babilôna,
fa nompangain’ireo anti-dahy roa lahy ho nanitsakitsa-bady.

Setriny
Salamo (Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5. 6)
Tsy matahotra izay loza aho, satria Ianao, ry Tompo, miaraka amiko.
Ny Tompo miandry ahy, tsy orin’inona aho:
izaho ampiraotiny amin’ny vilo-maitso,
entiny amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy fanahy.
Tarihiny amin’ny lala-marina aho noho ny Anarany!
Na mamaky lohasaha maizina aza aho, tsy matahotra izay loza:
Satria Ianao miaraka amiko: ny kibay aman-tehinao mampatoky ahy!
Rosoanao sakafo
eo imason’ny rafiko aho;
ka ny loha mitavona ilo,
ny kapoaka safomorona!
Eny, hatsaram-po sy hasambarana,
no manjoy amin’ny fiainana manontolo;
ny Tranon’ny Tompo no fonenana
taona maro mifandimby.
Evanjely
Voninahitra ho Anao, ry Kristy, Tenin’Andriamanitra.
Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe.
Voninahitra ho Anao, ry Kristy, Tenin’Andriamanitra.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 1-11)
Izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy voalohany.
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nankany an-tendrombohitra Oliva,
fa nony marainakoa vao niverina tany an-tempoly Izy,
ka nanatona Azy ny vahoaka rehetra,
dia nipetraka nampianatra azy ireo Izy.
Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga
nentin’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina;
ka narosony teo afovoany.
Dia hoy izy tamin’i Jesoa:
“Ry Mpampianatra,
azo nijangajanga ity vehivavy ity.
Ary i Môizy ao amin’ny Lalàna dia nandidy antsika
hitora-bato ny olona toy izany,
fa Ianao kosa mba ahoana, hoy Ianao?”
Izy no nanao izany, dia ny hakany fanahy Azy,
mba hisy hiampangany Azy.
Fa i Jesoa kosa niondrika dia nanoratra
tamin’ny rantsan-tanany teo amin’ny tany.
Ry zareo amin’izany tsy nitsahatra,
fa mbola nanontany Azy ihany,
ka nitraka Izy dia nanao taminy hoe:
“Izay tsy manam-pahotana aminareo
no aoka hitora-bato azy voalohany.”
Dia niondrika indray Izy ka nanoratra teo amin’ny tany.
Fa ry zareo kosa nony nandre izany,
dia nihatakataka tsirairay,
ny zokinjokiny no lohalalana,
ka i Jesoa irery sisa nijanona sy ilay vehivavy teo afovoany.
Izay vao nitraka i Jesoa, ka nanao taminy hoe:
“Ravehivavy, aiza ry zareo niampanga anao teo?
Moa tsy nisy nanameloka anao va?”
Hoy izy:
“Tsy nisy, Tompoko.”
Dia hoy i Jesoa:
“Izaho koa tsy hanameloka anao.
Mandehana, ka aza manota intsony.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.