Ny firotsahana an-tsitra-po sy fahavitrihana eo amin'ny fiainan'ny fiaraha-monina no antsointsika etoana hoe- : fandrasiana andraikitra. Ny olombelona rehetra dia tsy maintsy manao izay ho afany mandray anjara eo amin'ny fiainan'ny fiaraha-monina. Adidy : ny firotsahana hiandany amin'ny fandriam-pahalemana, ny fandaminana ny fahefam-panjakana, ny fitandrovana ny tontolo iainana. Katesizy momba ny fiaraha-monina araka ny hevitr'Andrimanitra, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Zoma 3 marsa 2023 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-26)
Satria ao anaty fiaraha-monina ny olona, ka ny soa ho an'ny tsirairay dia mifampiankina amin'ny soa iombonana. Antsoina hoe "soa iombonana" ny fepetra rehetra eo amin'ny fiaraha-monina ka manampy ny isam-batan'olona sy ny fikambanana manontolo hanatratra ny tanjony. Ho an'ny soa iombonana, ny manampahefana dia antsoina hanaja ny zo fototry ny tsirairay. Katesizy momba ny fiaraha-monina araka ny hevitr'Andrimanitra, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Alakamisy 2 marsa 2023 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 7-12)
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco