9 aprily 2023 — Alahady, Fankalazana manetriketrika ny Fitsanganan'ny Tompo — Efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika ao amin’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 28, 1-10)

Mankalaza an’i Jesoa Maty fa nitsangan-ko velona isika, na ny Paka izany, izay fototry ny finoantsika. Mifampiarahaba isika mianakavy mankalaza izany andro lehibe indrindra amin’ny finoantsika izany. Marihina fa tsy nitsangan-ko velona andro sabata i Jesoa fa ny andro manaraka, izany hoe andro voalohany amin’ny herinandro. Ka tsy tokony hanome lanja ny sabata na sabotsy intsony izany ny kristianina mpanara-dia Azy sy mitondra ny Anarany, fa hankalaza io andro voalohany amin’ny herinandro io na ny alahady izany, izay nandreseny ny fasana ka namerenana ny Ainy taminy indray. Koa azo lazaina fa mbola taraiky any amin’ny Testamenta Taloha ireo mbola manaja izany. Isika olombelona namono ny Ainy fa Andriamanitra namerina taminy indray izany. Matetika isika mahay mamono fa tsy mahay mamelona. Koa raha nandresy i Kristy dia aoka koa isika handresy toa Azy amin’ny fahotana sy ny fahazaran-dratsy rehetra maha lavo antsika, ka hitsangan-ko velona toa Azy koa.

Evanjely iray amin’ireo azo isafidianana ity raisintsika ity. Tsy nisy nahita ny nitsanganany ho velona, fa ny mazava dia tsy tao am-pasana intsony Izy, araka ny fitantaran’i Masindahy Matio azy teo. Koa aza avela hanalokaloka antsika intsony àry, ireny kilema ratsintsika ireny, ny fahotantsika fa ataovy tsy hita ao am-pasana, izany hoe amin’ny fiaintsika intsony fa efa nitsangana toa Azy Kristy isika fa mahatonga antsika ho lo ao ireny raha tsy mitandrina isika.

Izao anefa: izay niady no afaka handresy, fa raha tsy niady dia ho hitan’ny havany eo fa manaraka ambonkony fotsiny. Ka aoka tsy ho toy izany isika. Fa efa nanao karemy tsara, ka nivalo sy nibebaka ary tonga amin’izao tampony izao, dia ny Paka izany. Ka ho afaka hikiakam-pandresena.

Aoka ho tahafintsika ny fiainan’Izy Kristy. Izany hoe: tsy nilofika teo amin’ny fampijaliana sy ny vono Izy, tsy resin’ny haizim-piton’ny fasana fa NANDRESY ny mafy indrindra, dia ny fahafatesana izany, ka nitsangana ho velona. Midika izany fa tsy tompon’ny teny farany ny fijaliana fa tsy maintsy ho tonga hatramin’ny fandresen’ny fitsanganan-ko velona.

Ankoatra izany, toa an’ireo vehivavy nitsirika ny fasana vao maraina ny andro voalohan’ny amin’ny herinandro isika, ka irahina hitory sy hanambara an’i Jesoa tafatsangana ho velona. Manomboka amin’ny tenantsika izany. Atao ahoana anefa? Aoka haneho izany ny fiainantsika manontolo fa efa tena tafatsangan-ko velona tokoa, toa an’i Kristy ka tsy ho rendriky ny torimasom-pahotana sy ny fahazaran-dratsy intsony. Aoka tsy ho amin’izao Paka izao ihany isika no handeha ho any amin’ny Eglizy fa haka fahazarana amin’izay hankany, fara faharatsiny isan’alahady, rehefa tsy afaka isan’andro, satria koa mbola endrika hanehoana Azy maty fa nitsangana ho velona koa izany, dia ny Paka. Izany hoe: isaky ny mankalaza ny Eokaristia isika dia mankalaza ny Pakan’i Kristy. Aza matahotra amin’izany iraka izany, fa mialoha lalana antsika Izy, araka ny lazain’ny Anjely eto hoe: “Indro hialoha anareo any Galilea Izy”. Ka inona no atahorana? Tsy mandeha irery isika fa eo Izy tokintsika. “Galilea” vaovao mantsy ny any amin’izay misy antsika rehetra any.

Paka ny andro ka avelao hipaka lalina amin’ny fiainantsika, ny aty fanahintsika ny fankalazana izao Paka izao fa aza avela handalo fotsiny, ka hikapa ireo lobolobom-pahotana mbola manelingelina antsika. Ho toa anie izany. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...