Adidin'ny Fanjakàna ny mampihatra pôlitika mahomby ny asa ka isan'izany ny manome vahana ny famoronana ny asa manerana ny firenena, eo koa ny fanohanana ny olona amin'ny asa famokarana. Adidin'ny Fanjakàna ihany koa no mampirisika ny olona hiantsehatra satria tsy ho araky ny Fanjakàna irery izany fa na izany aza dia tsy maintsy miezaka araka izay tratra ny mpitantana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
5 septambra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 31-37)
Manimba ny maha-olona ny midonanam-poana. Mahasoa ny vatana sy ny saina ny miasa fa tsy hihinana fotsiny, izany hoe mitsinjo ny hafa ihany koa. Tompon'andraikitra amin'ny tsy fananana asa ny mpitondra rehefa manapotika orinasa tsy ara-drariny sy manimba ny tontolon'ny asa. Adidin'ny Eglizy ny miteny manoloana ireny tsy rariny ireny. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
4 septambra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 16-30)
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco