5 septambra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 31-37)

Maneho ny maha-Mpamonjy Azy i Jesoa eto. Amin’alalan’ny fanafahana antsika olombelona amin’ny fatoran’ny fahabadoana ara-pinoana sy amin’ny fatoran’i Satana no anehoany an’izany anio. Nampianatra i Jesoa hoy i Masindahy Lioka, evanjelista, satria tiany hovahana amin’ny tsy fahalalana an’Andriamanitra, ho fototry ny fiainana isika olombelona. Fa tsy vitan’izany ihany koa anefa fa mbola novahany tamin’ny fatoran’ny demony ity lehilahy azon’ny demony maloto. Azon’ny demony maloto ity olona ity no novahan’i Jesoa tamin’ny fahotany, noroahan’i Jesoa ilay fanahy ratsy nanimba ny fiombonan’ny maha olona sy ny maha zanak’Andriamanitra. Olom-baovao nanomboka hatreo ilay lehilahy azon’ny demony maloto teo aloha : olom-baovao satria mahalala fa Andriamanitra irery no fototry ny ainy ary vonona ny hitia azy amin’ny fiainany manontolo sy ny fanahiny manontolo izy izao.

Zavatra mahagaga eto dia ohatran’ny hoe vokatry ny fampianaran’i Jesoa tamim-pahefana no nampihetsika ny demony maloto eto. Toa mampametra-panontaniana amintsika tsirairay avy manolona ny fanomezan-danja ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika raha maniry fahafahana feno sady marina isika eo amin’ny fiainana maha kristianina antsika.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...