4 septambra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 16-30)

Afaka manova ny fiainana hihatsaratsara kokoa ny Vaovao Mahafaly, satria mitondra ilay Famonjena, dia tsy iza fa i Jesoa Kristy. Ny tenany, omban’ny herin’ny Fanahy Masina no hanafaka ny mahantra sy ny voageja. Mety tsy hotanteraka eo amintsika anefa izany fahasovan-dehibe izany raha toa ka tsy vonona ny hihaino sy handray Azy am-pinoana isika rehefa miara-mivavaka, toy ny nataon’ireto olona mpiray tanindrazana taminy tonga niara-nivavaka tao amin’ny sinagoga.

Tsy hahazo ny fahasoavana atolotr’i Kristy isika raha toa ka tsy mahay mandray Azy miseho sy miteny isan’andro amin’ny endrika feno fahatsorana ; tsy haharay ny fahasoavany na oviana na oviana isika raha toa miandry fahagagana avy aminy foana vao hino, fa tsy miraharaha ireo fahagagana tsy tapaka tanterahany isan’andro vaky, toy ny fibebahan’ny mpanota, fahasalamana isan’andro, fiahiany antsika sy ny fiarovany antsika amin’ny loza ; ny Eokaristia, ilay sakafo mamelona antsika isan’andro, fa indrindra ny Teniny manome hery antsika hiatrika ny fiainana hatramin’izay ka hatramin’izao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...