2 aogositra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 44-46)
Ny hoe asa an-terivozona dia asa tsy hananana fahafahana, tsy afahana mamorona, asa lavitry ny fahamendrehana. Ny fahafahana nentin'Andriamanitra dia fanafahana ny vahoaka tsy hanompo mpanjaka fa hanompo an'Andriamanitra. Ny asa an-terivozona dia asa tsy afahana mihary sy miaina ny sitrapon'Andriamanitra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
1 aogositra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny fahamarinana ny Ray; mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 36-43)
Ny asa ny vahoaka tany Ejipta dia asa tsy vokatry ny sitrapony : asa an-terivozona. Vokatry ny tahotra no nahatonga ny faraona hampanao asa an-terivozona ny vahoaka Israely. Nosakanana tsy hitombo ny vahoaka Israely. Asa an-terivozona no nampanaovina an'ny Mpanjaka. Ny asa atao andavanandro dia asa iaraha-misalahy amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco